Niova ny fandehan-javatra. Karohina fatratra amin’izao ilay tovolahy mpianatra izay namono nahafaty an’ilay rangahy lehibe voalaza fa nangalatra tao amin’ny faritry ny Oniversiten’I Fianarantsoa, y ny sabotsy lasa teo. Voasambotr’ireo mpianatra moa ity farany ary dia niharan’ny fitsaram-bahoaka. Eo imason’ny lalàna tokao dia vono olona iniana atao ny dikan’izany fihetsik’ilay tovolahy ity, ary antony hanenjehana sy hikarohana azy fatratra toa izao. Raha ny fanazavàna azo dia tsy nisy fitoriana nipetraka teny anivon’ireo mpitandro filaminana avy tamin’ny havan’ilay rangahy namoy ny ainy. Kanefa na dia izany aza, tsy maintsy misy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’izy ireo, teo anoloan’iny tranga ity. Ireto farany izay manentana ombieny ombieny fa tsy ekena ny fanaovana fitsaram-bahoaka satria dia voararan’ny lalana velona eto amintsika izany, na inona antony na inona antony.
Nihoatry ny fefy. Raha tsiahivina tokoa ny zava-niseho tamin’io sabotsy io, dia rangahy iray izay efa somary nahazo taona ihany no tratry ny mpianatra tao amin’ny faritry ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Raha ny fampitam-baovao dia nikasa ny hangalatra zavatra tao amin’ny tranon’ny mpianatra ity farany no izao voasambotra izao. Tsy nisy indrafo ireo nahatratra fa avy hatrany dia nihatra ny daroka sy vono. Efa niaiky sy nifona tamin’ny zavatra vitany ilay rangahy lehibe saingy tsy nisy fo antra ireto nahatratra fa ny hamono ihany. Nisy mihitsy aza nahavita nanatota vatobe ny lohany, izay nitarika ny fahafatesany. Fihetsika izay azo lazaina fa nihoatra ny fefy ihany, raha mitaha tamin’ilay zavatra vitan’ity olona voalaza fa nangalatra. Niteraka ady hevitra sy fangorahana tamin’ireo mpanara-baovao fa indrindra tamin’ireo olona tao anaty tambajotra sosialy ity tranga ity. Ny sarin’ilay ranamana mibata ilay vatobe rahateo no nisy nahazo sary. Ho hita eo araka izany izay mety ho tohiny.
m.L