- Publicité -
mardi, novembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsaram-bahoaka tao Antsohihy : Nalefa eto Tana ireo olona nitarika ny hatezeram-bahoaka

Fitsaram-bahoaka tao Antsohihy : Nalefa eto Tana ireo olona nitarika ny hatezeram-bahoaka

Tany Antsohihy tamin’ny voalohany no saika hitondràna azy ireo. Saingy niova tampoka ny fanapahan-kevitra ny alin’ny asabotsy ary nisy ny baiko nilatsaka dia ny hitondràna avy hatrany ireo olona roa voarohirohy ho nahavanon-doza aty an-drenivohitra. Ny loharanom-baovao teo anivon’ny zandary no nanazava fa tsy maintsy noraisina izay fepetra izay mba hampiverenana faran’izay haingana ny filaminana. Raha mbola tao amin’ny faritra Sofia mantsy no nitazomana ireo olona, tsy maintsy hiely faran’izay haingana ihany ny feo ary ho tonga indray ny olona hitady fitsaram-bahoaka. Nanomboka ny alahady teo kosa, raha vao niverina kely ny filaminana, dia nisy avy hatrany ny “couvre-feu” izay nihatra amin’ny alina. Feno mpitandro ny filaminana, miaramila, zandary ary pôlisy ny tanànan’i Mampikony, raha araka ny fitantaran’ny mponina iray any an-toerana. Na teo aza anefa ny fanapahan-kevitra noraisina dia mbola nisy indray ny fitarainana fa nisy nanakorontana ny olon-tsotra sasany izay tsy nisy nidirany tamin’ity raharaha ity. Isan’izany ireo mpandeha tao anaty taxi-brousse izay voatoraka ary naratra. Fiara roa miandraikitra ny fitaterana amin’iny faritra iny no niharan’izany ary samy nisy naratra ny tao anatiny. Midika izany fa mitady hizotra any amin’ny asa fanakorontana ihany koa ny ataon’ny olona sasany izay naira-nandray anjara tamin’ny fitsaram-bahoaka. Mety mbola afaka manaporofo an’izany ny fisian’ny fiaran’olon-tsotra voatoraka ary koa ny fisian’ny orinasa kely voadoro tamin’iny andron’ny asabotsy iny. Tsy nisy afa-tsy ny resaka momba ny fitsaram-bahoaka omaly ny fidirana an-tsehatra mivantana nataon’ny olon-tsotra tao anatin’ny fandaharana maro samihafa teto an-drenivohitra. Betsaka ny niombo-peo fa ny tsy fahatokisana intsony ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana no tena antony manosika ny olona hiditra amin’ny rotaka fitsaram-bahoaka. Tany Antsirabe, ny Minisitry ny fitsaràna nandritra ny lanonana fametrahana mpitsara vaovao tao an-toerana, dia nandà izany ary nanazava fa tsy misy hidiran’ny fitsaràna na ny mpitsara ny raharaha toa ireny. Nohazavainy fa ny azo atao dia ny manafaingana ny raharaham-pitsaràna ho an’ireo olona nitarika ny hatezeram-bahoaka. Ny ahiana hatrany dia ny hivadihan’ny raharaha toa itony ho ady eo amin’ny samy mpiara-monina raha toa ka tsy voadinika tsara ny fepetra raisin’ny manam-pahefana. Sarotra ny hampiasa hery, ny mampihatra tanteraka ny lalàna ary koa ny tsy fandraisana an-tànana ny fisian’ny Dina ifampifehezan’ny fiaraha-monina. Ireo rehetra ireo mitambatra ihany anefa no afaka mizotra amin’ny famahana ny olana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici