Nahazo vahana ny resaka fitsaram-bahoaka tao amin’ny distrikan’i Betafo ny taona 2018 iny ary mbola mitohy izany hatramin’izao, saingy efa nahitàna fihenana. Ity resaka fitsaram-bahoaka ity no nampidoboka am-ponja ny sefo fokontany iray sy ny kartie mobile ary niampy olona 6 hafa. Raha tsiahivina fohy, nisy omby very tao amin’ny fokontany Andrianovona, kaominina ambanivohitra Manohisoa, distrikan’i Betafo, ny alin’ny 24 desambra 2018. Niezaka nikaroka io omby io ny fokonolona tamin’ny fanarahan-dia. Nijanona teo amin’ny tanàna iray ny dian’omby ary mbola nahitana taim-boraka sy rà teo amin’ny manodidina azy. Rehefa narahana akaiky izany dia niafara tao amina trano iray, nosavan’ny fokonolona io trano ary nahitana kitoza maro nihantona. Tombanan’ny fokonolona ho ilay omby very noho izany no niavian’ireo kitoza ireo. Rangahy iray no nosamborin’ny fokonolona tao amin’io trano io ary notazomina tao amin’ny biraon’ny fokontany. Ny 26 desambra 2018 vao nentin’ny fokonolona tany Betafo saingy teny an-dalana dia matin’ny fitsaram-bahoaka. Marihina fa nodinganin’ny fokonolona ny mpitandro filaminana tamin’ity raharaha ity. Tsy namela nangina ny raharaha anefa ny fianakavian’ny maty fa nametraka fitoriana tamin’ny tapaky ny volana febroary lasa teo, fitoriana nilaza fa tokony hoentina any amin’ny mpitandro filaminana ny havany raha nanao fandikan-dalana fa tsy novonoina. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana ary nofongarina mihitsy ny razana nanaovana fizahana indray. Voaporofo tamin’izany fa nahitana diam-bala tokoa ny lamosin’ilay maty. Rehefa izany, niroso tamin’ny fisamborana ny mpitandro filaminana. Omaly no niakatra fitsarana ny raharaha ary 8 tamin’izy ireo no nidoboka am-ponja ka isan’izany ny sefo Fokontany, noho ny tsy fandraisany ny andraikiny nitondra ny voampanga namonjy ny mpitandro filaminana.
Andry N.