- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFitsaram-bahoaka teo Antsoantany : Nikomy ny olona : tapaka ny RN7, ...

Fitsaram-bahoaka teo Antsoantany : Nikomy ny olona : tapaka ny RN7, roa voatifitra

Tapaka tanteraka ny làlam-pirenena vokatr’ity gidragidra omaly ity
Tapaka tanteraka ny làlam-pirenena vokatr’ity gidragidra omaly ity

Gidragidra tanteraka no niseho teo Antsapanimahazo-Antsoantany, tanàna iray ao Antsirabe II, manamorona ny lalam-pirenena fahafito. Nitifitra ny zandary, nandatsaka baomba mandratsa-dranomaso ihany koa ary nanao izay fomba rehetra hanaparitahana ny olona. Tsy naharava ny barazy izay napetrak’ireo fokonolona anefa izany, hatramin’ny ora nanoratany omaly. Vokatr’izany dia tapaka tanteraka ny RN7. Tsy misy afaka nandroso izay hihazo ny Renivohitra ary torak’izany ihany koa ireo izay hianatsimo. Mbola ireo fiara indray ary no notoratorahan’ny olona, raha vao manakaiky azy ireo. Torak’izany ihany koa ireo olona izay mba mitady fifampiraharahana, voarahona avy hatrany. Lasa naka sisintsisiny ny fiara sy ny olona ary toa lasa nijery sarimihetsika mivantana manoloana ny fihasiana ataon’ireo fokonolona ny zandary sy ny fampiasan’ireto farany ny fitaovam-piadiana. Omaly, raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana, dia olona roa no naratra voatifitry ny bala. Teo amin’ny sandriny ny voalohany ary teo amin’ny masony kosa ny faharoa. Vao mainka koa izany nandrehitra ny afo, ka nanamafy ny barazin’ireo olona. Ny feo teo an-toerana ka notaterina taminay dia nilaza fa tetika mihitsy ny hihantsiana ny mpitandro filaminana, mba hiverina eo an-toerana. Midika izany fa mbola mety nihamafy ny fifandonana omaly alina. Hotaterina manaraka eo ihany. Raha ny antony nahatonga ny disadisa indray dia fantatra fa saika hanao fitsaram-bahoaka ny olona no nosakanan’ny zandary. Nisy omby bevohoka very tao Antsapanimahazo ary nifandraika tamin’izay ihany koa ny fahitana olona nivarotra hena “hafahafa” tao an-toerana. Tsy ela dia nitontona tany amin’io farany ny fanahiana rehetra. Niely faran’izay haingana tao an-tanàna ny feo ary tonga hatramin’ny fitadiavan’ny olona hamono azy. Saingy tsy navelan’ny zandary ,satria tsy manara-dalàna ny fitsaram-bahoaka. Teo no niteraka ny olana rehetra, izay tonga hatramin’ny fanapahana ny RN7. Fiara an-jatony omaly no tsy afa-nihetsika ary mety ho an’arivony izany anio raha tsy voavaha ny olana. Hampitaina manaraka ny fivoaran’ny raharaha…

D.R/BO Andrianary

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser