Vita ny fakana am-bavany teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava ireto olona valo voarohirohy tamin’ny fitsaram-bahoaka tao Mangarivotra avaratra, ka nahafaty Sergino ilay tovolahy vao 19 taona avy naka laza adin’ny bakalorea tany am-pianarany, nolazaina fa naman’ireo jiolahy avy nisintona findain’olona. Raha niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha taorian’izany dia nivoaka ny didy savanonando fa miditra am-ponja vonjy maika ireo dimy tamin’ny valo voarohirohy hoy ny fitsarana, ireo ambiny telo kosa dia eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, izay mila mandalo eo anivon’ny fampanoavana matetika izy ireo. Isan’ity tratra izany ny sefo fokontany tao Mangarivotra avaratra P/elle 11/14 izay nampihaihay ny fitsarana tamin’ny fakana am-bavany natao tamin’izy ireo. Andrasana indray izany izay ho didim-pitsarana amin’ny fotoam-pitsarana ity raharaha vono olona tamin’ny fitsaram-bahoaka ity. Hita izao fa tsy mandefitra amin’ny fomba fanao amin’ny fitsaram-bahoaka tsy am-piheverina ka mahafaty olona ny fitsarana eto Toamasina.
Malala Didier