Ny 7 novambra teo ary tsy hifarana raha tsy ny 22 desambra izao, izay hoe mbola mitohy aorian’ny fialan-tsasatry ny fitsarana malagasy, ny fitsarana ady heloka be vava eo anivon’ny fitsarana ambony eto Toamasina. Antontan-taratasy 116 no voafaritra mialoha, saingy niampy izany taty aoriana.
Raha ho an’ity fitsarana ady heloka be vava ny fitsarana ambony Toamasina izay andiany faha-3 no mandeha ankehitriny, dia mitana ny laharana voalohany ao anatin’ireo antontan-taratasy tsaraina ny resaka vono olona izay ahitana antontan-taratasy 50, sy ny fanolanana ary fametavetana ankizy latsaky ny 15 taona manana antontan-taratasy 37. Amin’ity farany dia manomboka 06 taona – 10 taona – 12 taona ary 14 taona ireo niharan’izany voarakitry ny fitoriana sy ny antontan-taratasin’ady. Ankilan’ireo, dia isany tsaraina mandritra izao fitsarana ady heloka be vava izao koa ireo antontan-taratasy mikasika ireo halatra narahana herisetra miisa 10, sy fanapoizinana – fanafihana mitam-piadiana ary halatra taolam-paty sy vaky fasana izay samy miisa 05 avy, eo koa ny fanaovana sy fampiasana hosoka ary ny fanodinkodinana volam-bahoaka miisa 04, ka isany tsaraina amin’izany ny ben’ny tananan’ ny kaominina Amboditandroroho Toamasina II teo aloha; izay voarohirohy nanodinkodina volan’ny kaominina. Tamin’ireo antontan-taratasin’ady efa voatsara hatreto, dia ao ireo voarohirohy no afaka madiodio sy ampisalasalana nandritra ny fitsarana, ao kosa anefa ireo mifonja ka manodidina ny 5 taona hatramin’ny 15 taona avokoa no didy efa nivoaka hatreto; mbola tsy nisy aloha ny sazy fonja mandrapahafaty nivoaka.
Ity fitsarana ady heloka be vava andiany faha-3 izany no hamarana izany amin’ity taona ity. Efa nanome toky sahady ny fitsarana ambony Toamasina misahana ny fitsarana ady heloka be vava, fa hezahina hanomboka ny volana aprily izany ny taona vaovao mba hahavita andiany efatra na dimy izy ireo ny taona 2017, amin’ireo sampam-pitsarana 5 misy izany eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina.
Malala Didier