- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsarana ady heloka be vava Toamasina : Niverina nipoitra indray ilay raharaha fakana...

Fitsarana ady heloka be vava Toamasina : Niverina nipoitra indray ilay raharaha fakana an-keriny ny zanaky Wu Chao Ying

Efa namoahan’ny fitsarana ady heloka be vava tsotra Toamasina didy ity raharaha fakana an-keriny ny Zanak’ ilay tera-tany sinoa antsoina hoe Wu Chao Ying, nitranga ny taona 2014. Henjana loatra ny didy nivoaka tamin’izany, nihatra tamin’izy 14 mirahalahy nosamborina voarohirohy , ka tsy faly tamin’ny sazy nahazo azy ny iray tamin’izy 14 lahy ka nampiakatra fitsarana fandravana.  Nahazo rariny tamin’ny fisarana fandravana ny tenany ka izao miverina eo anivon’ny fitsarana ady heloka be vava tsotra izao indray ny raharaha haverina hotsaraina. Noho ny fahasarotan’ny antontan-taratasin’ady anefa, dia nahemotry ny mpitsara ady heloka amin’ny andian’ny fitsarana ady heloka andiany fahatelo ny fitsarana ny raharaha. Izy 14 lahy ihany koa mbola mifonja  ao Ambalatavoahangy. Ankilan’izany dia niakatra fitsarana ihany koa ny famonoan’ilay tovolahy zana-bady atao hoe Frederic sy ilay rainy antsoina hoe Sampivony ; izay niseho tao Vavatenina.  Dimy taona asa an-terivozona am-ponja ny sazy nomen’ny fitsarana azy mianaka ireto tamin’izao vono olona vitan’izy ireo izao. Nomen’ny fitsarana ady heloka sazy am-ponja asa an-terivozona 20 taona kosa i Dada Victorien raha namono nahafaty ny reniny tao amin’ny distrikan’i Brickaville. Nokapakapainy tamin’ny famaky ka nipitika mihitsy ny lohan’ny reniny fa hoe nangalatra ny betsa saika hosotriny avy novidiny izany. Ankoatra izany, dia mpitsara manokana avy ao Antananarivo avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana mihitsy no nomena iraka nitsara ilay raharaha Ambodiazinina. Raha onitra sivily 200 tapitrisa ariary no nangatahan’izy telo vavy navelan’ireo polisy maty dia onitra 06 tapitrisa ariary avy no notapahan’ny fitsarana. Tsy afa-po izy ireo ka nampiakatra fitsarana tampony fandravana ny vady navelan’ireo polisy maty taorian’ny fivoahan’ny didin’ny fitsarana ady heloka be vava tsotra Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici