Raha natao ny fitsarana ny raharaha nanenjehana an’i Razafindrasiza Nirina Tonga Lougoit Florent, izay miaramila kaporaly eo anivon’ny toby voalohan’ny miaramila faha-03 Toamasina. Izay natao ny alakamisy teo nandritra ny fitsarana ady heloka be vava teto Toamasina andiany faharoa, izay nahavoaroaroy azyho nanao fanafihana mitam-piadiana tao Valpinson ny 05 jolay 2019 raha ny 07 aogositra 2019 ny fanenjehana azy faharoa. Nandritra ny fitsarana dia nohafahan’ny mpitsara madiodio ny tenany noho ny tsy fahampian’ny porofo nanenjehana azy tamin’izay resaka fanafihana izay. Nandritra ny antontan-taratasy faharoa manenjika azy kosa dia tsar any fiarivan-tenany ity kaporaly ity, fa adin’ny mpirafilahy satria nambarany fa “renin-janany teo aloha vadina polisy amin’izao no olana, satria ilay polisy nisambotra ahy koa dia efa nifofo ny aiko noho ny tsy fitiavany fifaneraserako amin’ny renin-janako taloha”, hoy ilay miaramila kaporaly. Nandritra ny fisavana ny tranony araka ny tatitra voarain’ny fitsarana dia tsy nahita na inona na inona ireo mpisava. Taorian’ny famoahana ny didy dia mbola nohafahan’ny fitsarana hatrany ingahy Razafindrasiza Nirina Loupoit Florent. Ankoatra izay dia ny alahady teo dia miaramila kilasy faharoa eo ampanaovina fanompoam-pirenana anatin’nytafika, vao nivoaka ambany faneva tsy ela no mpiambina trano fandraisam-bahiny iray ao Analamboanio, no nanao ny tsy fianaony mpiarak amin’ireo andian-kiolahy miray tendro amin’ny fanafihana. Nifampiantso tamina andian-jiolahy ity miaramila kilasy faharoa ity, ka taorian’izao dia niova lamba tsy nanao ilay fanamiana miaramila fanaony intsony ny tenany. Voasambotry ny polisy moa izy ireo taorian’ny asa ratsy nataony, ka nohazonina natao famotorana teny amin’ny polisy ire sivily namany nanao ny fanafihana, raha naverina eny amin’ny toby eo am-piandrasana ny fanadiadian’ny fitsarana azy ilay miaramila kilasy faharoa.
Malala Didier