- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana ady heloka bevava Toamasina : Votsotra ireo mpitandro filaminana voarohirohy tamin’ny asan-jiolahy

Fitsarana ady heloka bevava Toamasina : Votsotra ireo mpitandro filaminana voarohirohy tamin’ny asan-jiolahy

Niakatra amin’ny andiany faharoa ny fitsarana ady heloka bevava ny fitsarana ambony eto Toamasina ilay raharaha naha-voaroiroy zandary sy ireo namany tamina asan-jiolahy nitranga tamin’iny taona 2024 iny ny zoma teo. Telo lahy ireto zandary sy miaramila iray voaroiroy ireto, izany niaraka tamina olon-tsotra niisa telo ihany koa, izay niisa fito izy ireo niakatra fitsarana ady heloka bevava ity.

Samy nandà ny fitoriana azy ireo ireto voaroiroy, tsy nisy ihany koa ny mpitory sy ny vavolombelona tonga nandritra izany. Tsy nisy ihany koa ny porofo ara-pitaovam-piadiana naseho mpanao gazety teo anoloan’ny biraon’ny fampanoavana tamin’ny fotoan’ny asan-jiolahy ny 14 oktobra 2024, sy ireo finday maromaro fa hoe nentin’izy ireo nanao ny asan-jiolahy nandritra ity fotoam-pitsarana ity. Voalaza tamin’izay fa ilay finday no fifampiantsoana tamin’izy ireo sy fomba atao raha hizara ny vola azo ihany koa. ireo rehetra ireo no nentin’ny mpisolovavan’ireto zandary sy miaramila ary ireo namany olon-tsotra nanao fandaharan-teniny tamin’ny mpitsara sy ny fampanoavana ambony ary ireo mpitsara mpanampy. Raha namoaka ny didy vokatra izany ny mpitsara taorian’ny fanadiadiana lalina nataony, dia namoaka didy fa tsy ampy ny fiampangana azy fito lahy ireto ka nohafahana avokoa izy rehetra.

Ankilan’izany anefa nanamafy ny teo anivon’ny FIP tamin’ny fisamborana azy ireto fa loharanom-baovao azo antoka no azony nahafahana nisambotra azy ireo ny taona 2024 ireny, noho ilay fanafihana efa nampihaiky ny vahoaka teto Toamasina mihintsy tamin’izany. Izay nonahasamborana zandary iray am-perinasa teny Valpinson tamin’izay ny 12 oktobra 2024. Ny 14 oktobra anefa dia nisy avy hatrany vala-dresaka nataon’ny tonia mpampanoa lalana teto Toamasina mikasika azy ity, ka tamin’izay no nahalalana fa ilay fanafihana nitranga tao Ampasimazava nahita ambim-bala 8mm no niaingan’ny fanadiadiana rehetra tamin’izy ity, satria naharay vaovao tamin’ilay niharan’ny fanafihana ireto mpitandro filaminana sy ny fampanoavana.

Voaporofon’ilay ambim-bala io ihany koa tamin’ny fanafihana mpaka tamina banky iray teto Toamasina. tamin’ity raharaha ity dia voasambotra tamin’ny fanaraha-maso ny olon-tsotra iray sy zandary roa efa niaraka tamin’ny fitaovana izay nahita basy dimy efa feno bala; taorin’izay tao anaty fanadiadiana no nahasamborana ireo olona dimy ambiny mpiray tsikombakomba tamin’ilay raharaha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici