- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana ady heloka Toamasina : Pasitera fiangonana zandriny voaheloka higadra

Fitsarana ady heloka Toamasina : Pasitera fiangonana zandriny voaheloka higadra

Nivaly ny fitsarana ady heloka momba na fametavetana vehivavy nataona pasitera tamin’ny fiangonana zandriny iray teny Ambalamanasy. Ny alakamisy teo no nivoaka ilay didy ka migadra herintaona an-tranomaizina miampy onitra 16 tapitrisa ariary ho an’ireo vehivavy 08 mpitory azy tamin’izao raharaham-pitsarana izao. Nandritra ny fitsarana raha ny 11 jona teo no nahiditra am-ponja vonjy maika ity pasitera ity, ka ny fananararaotana ara-nofo tamin’ireo vehivavy tao am-piangonana misy ilay pasitera no nitoriana azy, ka ireto vehivavy valo ireto no sahy tamin’izany. Samy tonga avokoa izy valo mpitory satria tena efa mihoatra ny loha loatra ny ataon’ity pasitera ity amin’ny fanararaotana ara-nofo ireo mpino ao aminy ; ary tonga maro koa ireo kristiana vavolombelona tamin’ireo raharaha izao. Nilaza nandritra ny fitsarana ireo vehivavy voavetaveta ara-nofo ireo fa tsy tompon’ny tenany izy ireo mandritra izany, nefa aorian’izany dia rahonany tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ireo vehivavy voavetaveta ara-nofo ireo. Raha ny re nandritra ny fotoam-pitsarana dia efa nanomboka ny taona 2021 no efa nanaovan’ity pasitera ity izany tamin’ireo mpino tao aminy ary ambarany fa ny ranonainany dia mamaha ny olana amin’ireo vehivavy ireo mandritra ny firaisana ara-nofo ataony. Raha ny 11 jolay teo ny fitsarana dia ny 18 jolay kosa ny didy, ka nandritra ny fivoahan’ny didy no namoahana ny didy avy amin’ny mpitsara, fa herintaona an-tranomaizina sy onitra 02 an-trapitrisa ariary isaky ny vehivavy iray voavetaveta ireo. Mbola misy pasitera hafa tao Ambalamasasy miandry fitsarana am-ponja koa mbola hiakatra fitsarana tsy ho ela eo anivon’ny fitsarana Toamasina noho io fametavetana vehivavy mpino io.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici