Fiteny mahazatra dia hoe, tsy misy olona tsy tokony hahafantatra lalàna. Raha ny marina anefa dia saika ny ankabeazantsika rehetra dia tsy dia mahafantatra firy na mahalala izany, indrindra ireo lalàna nasiam-panovàna na ireo izay mety ho mahakasika ny zontsika na ny fiarovana izany. Ny hampahafantatra izany ary hanakaiky kokoa ny vahoaka no tanjon’ny Ministeran’ny fitsaràna ary niantsoany atrikasa, izay notanterahin’ny avy eo anivon’ny Sampandrandrahan’ny fanapariahana ny lalàna. Namaly izany antso izany ny avy eo anivon’ny Faritra Bongolava, izay tarihin’ny Governorany, ny Jly Ramiaramanana Joseph, ka natao ny voalohan’ny volana teo izany, tao amin’ny tranom-ponolona tao Tsiroanomandidy. Azon’izy ireo antoka mantsy fa tsy misy fampandrosoana ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna. Tanjona efa napetraka sy ezahin’izy ireo hapetraka foana anefa ny hoe « Bongolava mandroso ». Atrikasa izay naharitra roa andro moa izy io ary niantsoana ireo Ben’ny tanàna, ireo lehiben’ny Boriboritany, ireo Sefo fokontany. Notronin’ireo tomponandraiki-panjakana maro avy eo anivon’ny Faritra Bongolava. Nisolo tena ny Governora kosa ny Tale misahana ny raharaha ankapobeny eo anivon’ny Faritra. Samy nilaza ny maha-zava-dehibe ity atrikasa ity moa ireo manam-pahefana nandray fitenenana. « Adidy sy andraikitra lehibe ho antsika ny mitondra izany eny ifotony, mampahafantatra ny tsirairay ireo lalàna velona misy eto amin’ny tany sy Fanjakàna ».
m.L