- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsarana ambaratonga voalohany Toamasina : Nampivory ireo polisy mpanao fanadiadiana (OPJ)

Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina : Nampivory ireo polisy mpanao fanadiadiana (OPJ)

Nisafidy ny andron’ny alarobia omaly ny teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina; ka nihaonan’ny tonia mpampanoa lalana, sy ny filohan’ny fitsarana, ary ny mpitandro ny filaminana nahitana ny polisy sy zandary ary ny tontolo iainana – varotra – ny harena ambanin’ny tany – ary ny resaka ara-bola. Nanao tatitra ny asa vita ny tonia mpampanoa lalana nandritra ny resaka nifanaovana, sy nampahafantatra ny asa hatao rehetra. Nandritra izany ny tatitra mikasika ny resaka “code de procedure pénale” izay voalaza tsy maintsy arahina antsipirihany mba hisian’ny tany tan-dalana. Nambara ihany koa momba ilay lalana vaovao vao nolanian’ny mpanao lalana eto amintsika, dia momba ilay lalana momba ny fanolanana. Nampahafantarina ireto polisy mpanao fanadiadiana ny momba ilay lalana izay ary tsy andeferana ny mikasika izany. Ny fitsarana no manapaka ny didy mikasika azy ireny fa azo tanterahana ny mikasika ilay lalana vaovao momba ny fanolanana. Ankilan’izany dia nambaran’ny tonia mpampanoa lalana hatrany momba ny tatitry ny taona nivalona iny, fa “tsy anjaran’ny fitsarana ny manamarin-tena mikasika ny tatitra ny asany, fa ny vahoaka manontolo no mahita ny filaminan’ny Tanana”. Ankoatra izany dia nomarihan’ny tonia mpampanoa lalana ihany, fa tonga dia giazana avy hatrany ireo basy na fitaovana fampiasa amin’ny asa ratsy, na ampiasaina hampitahoarana olona, mandram-pivoahan’ny didim-pitsarana avoakan’ny fitsarana mpamoaka didy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici