- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana ambatonga voalohany Toamasina : Atoa Rasamitiana Ladislas ny tonia mpampanoa lalana...

Fitsarana ambatonga voalohany Toamasina : Atoa Rasamitiana Ladislas ny tonia mpampanoa lalana vaovao

Natao ny zoma 16 jolay teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny tonia mpampanoa lalana vaovao ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Atoa Rasamitiana Ladislas niasa teo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina teo aloha, sy ny tonia mpampanoa lalana teo aloha, Atoa Lauriet Thierry izay fantatra fa andray andraikitra hafa. Ara-pirahalahina ny famindram-pitantanana teo amin’ny roa tonga, izay natrehan’ireo mpiara-miasan’izy ireo vitsivitsy ihany noho ny hamehana ara-pahasalamana vokatry ny valanaretina covid-19 mihamahazo vahana indray izao araka ny vaovao. Fanamby goavana no ho raisin’ny tonia mpampanoa lalana vaovao ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, satria tena henjana ny resaka asan- jiolahy goavana sy mitondra fitaovam-piadiana amin’izao, eo ihany ny lafiny fanolanan-jaza izay tena nahazo vahana tao anatin’ny fihibohana  ny valanaretina, ary ny resaka ady amin’ny kolikoly izay tena manimba ny raharaham-pitsarana Malagasy amin’izao. Eo ihany koa ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana satria maro loatra ireo tsy voatsara voatazona am-ponja amin’izao izay mampitaraina ireo voafonja sy ny fiankaviany. Izay nampisy atrikasa nataon’ny fiangonana katolika misahana ny fonja mihitsy ny mikasika izany tsy ela izay, ary nanaovany fanadiadiana tamin’ireo voakasiky ny raharaha. Nanome toky moa ny tonia mpampanoa lalana vaovao ity fa hanao ny asa ao anatin’ny fahamarinana sy ny mijery ny maha-olona ary hanaja ireo fepetra ara-pitsarana rehetra, mba hanatsarana koa ny endriky ny fitsarana izay lasa miha-ratsy amin’izao noho ny fahitan’ny mpanandraharaha azy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici