- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversFitsaràna ambony Mahajanga : Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny « substitut...

Fitsaràna ambony Mahajanga : Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny « substitut general »

« Amin’alahelo lehibe no ampandrenesana antsika rehetra fa ny Mpitsara Rakotondravony Henri, Mpisolo Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga dia nodimandry taaorian’ny vono zay nahazo azy », hoy ny fampandrenesena navoakan’ny Ministeran’ny Fitsaràna.

Raha ny angom-baovao azo dia efa  ny 5 jona lasa teo ity mpitsara ao amin’ny fitsaràna ambony ao an-drenivohitr’i Boina ao, no tsy hita tany nanjavonana, rehefa niakatra taty an-drenivohitra. Nanomboka teo ny fikarohana azy. Afak’omaly no hita ity farany, saingy efa ny vatana mangatsiakany sisa no nofongarina avy tao amin’ny lavaka nandevenan’ireo tsy mataho-tody azy taty an-drenivohitra. Efa potika tanteraka moa ny razana tamin’ny nampiakarana azy tao. Izany hoe ankevitry ny efa andro maromaro izy no maty, raha ny fizahana. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava izay tena anton’ny famonoana fa ny azo antoka dia tena niniana notaperina mihitsy ny ain’ity mpitsara ity. Marihina fa raha ny angom-baovao azo hatrany fa mpikambana teo anivon’ny SRMV tao Marovoay ny tenany, ary handeha hanaraka ireo voka-pifidianana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo no antony niakarany taty an-drenivohitra.

 Efa mandeha ny famotorana rehetra mahakasika ity raharaha ity eny anivon’ny mpitandro filaminana ary ny fantatra dia toa efa misy olona roa no re fa voasambotra sy voatazona. Etsy andanin’izay, nanambara  ny Ministeran’ny Fitsaràna fa hanenjika amin’ny lalàna manan-kery izay tompon’antoka tamin’izany. « Ny fianakaviamben’ny Fitsarana izay tarihin-dRamatoa Ministra dia manameloka tanteraka ny famonoana ho faty ny mpiara-miasa izao. Mihatra ho an’izay meloka ny lalàna ary mandray ny andraikiny avy hatrany ny Fitsarana », araka ny fanambarana hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici