Manomboka izao, raha ny nambaran’ny Tonia Mpampanoa lalàna ambony eto amin’ny Fitsarana Ambony Toliara, Atoa Nirina Jean Arson Désiré, fa « hanao ny farany heriko aho sy ireo mpiara-miasa amiko mba hanafainganana ny raharaham-pitsarana, ary fitsarana tsy mitanila miady amin’ny kolikoly hatokisan’ny vahoaka no tanjona. » Tsiahivina, ny 10 septambra lasa teo ity mpitsara 55 taona, manambady, manan-janaka roa mianadahy ity, no napetraka tamin’ny fomba manetriketrika tamin’ny toerany, ary izy no « Procureur Général » fahefatra nitantana ny Fitsarana Ambony Toliara, hatramin’ny nisian’ny « Cour d’Appel » Toliara, ny taona 2004. Talohan’ izao nanendrena an’ity Tonia Mpampanoa lalàna vaovao ity teto Toliara, dia niasa tany Mahajanga ny tenany, ary efa tompon’andraikitra ambony tamina rafi-pitsarana maro teto amintsika tao anatin’ny 20 taona no naha mpitsara azy izay. Raha tsorina, tsy vahiny aminy tontolon’ny asam-pitsarana ingahy « Procureur Général », ary inoana fa hitondra fanovana goavana eo amin’ny tontolon’ny fitsarana izany.
Nahoda