Tontosa ny zoma tolakandro teo, tao amin’ny lapan’ny Fitsarana Toliara, ny fotoam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin’ny fomba ofisialy teo amin’ny toerany ny filoha voalohan’ny Fitsarana Ambony Toliara, Atoa Andrianaivo Tefy Ny Aina sy ny filohan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, Rtoa Samboharisoa Menja Annie. Samy nanambara ireto filoha roa ireto fa ny laharam-pahamehana hoy izy ireo, dia hanadio sy hafaingana ny raharaham-pitsarana. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana Florent Rakotoarisoa. Ity farany moa dia filoha voalohan’ny Fitsarana Ambony teto Toliara teo aloha. Ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana kosa no nisolo tena ny Minisitra Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, ary tonga maro ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara. Fanatsarana ny kalitaon’ny didim-pitsarana. « Hanohy ny efa nosantarintsika izahay, ka tanjona telo lehibe no hapetraka amin’ny fanatsarana ny taham-pahafampon’ireo manan-draharaha eto amin’ny Fitsarana, satria ny fitsarana dia miandraikitra asam-bahoaka.
Hafainganina. Vinan’asa hapetraka ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana amin’ny alalan’ny fampitomboana isa ny fitsarana heloka bevava, ka hisy fitsarana in-droa isan-taona amin’ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany miisa valo sahanin’ny Fitsarana Ambony Toliara. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny didim-pitsarana dia hampitomboina ihany koa ny fiofanana anatiny ho an’ireo mpitsara sy mpiraiki-draharaha, ary hapetraka isaky ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany ny mpitsara mpiahy (magistrat référé). Ezaka hamafisina ny fanatsarana ny fandraisan’olona sy toro-làlana eto amin’ny Fitsarana Toliara, ka mba hialana amin’ireo mpijirika sy kolikoly, dia haverina manomboka izao ny fitondran’ny mpiasa « badge », hoy Andriamatoa Andrianaivo Tefy Ny Aina, filoha voalohan’ny Fitsarana Ambony eto Toliara, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Fametrahana ny tany tan-dalàna. Raha nandray fitenenana kosa Ramatoa Samboharisoa Menja Annie izay voatendry ho filohan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana eto Toliara, dia nampahafantatra bebe kokoa ny besinimaro ny tenany amin’ny adidy sy andraikitra sahanin’ity fitsarana ity. « Ny tanjona ato amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana dia ny fametrahana ny tany tan-dalàna, ka miezaka izahay ato mitsara araky ny lalàna, ary didim-pitsarana tsy mitanila tsy manaraka baiko be fahatany lavitry ny kolikoly no hisy. Tsy mitsara ihany izahay fa miezaka ihany koa mampianatra sy mampiofana ireo Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly amin’ny fampiharana ny lalàna, satria izy ireo no anisany manan-draharaha betsaka indrindra amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. »
Eric Manitrisa