- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana Anosy : Mpamono olona mody adala, nentin’ny havany nitsoaka

Fitsarana Anosy : Mpamono olona mody adala, nentin’ny havany nitsoaka

Mafy ny tsy te-ho eny am-ponja na dia nahavita heloka bevava. Lehilahy iray 34 taona, manambady ary manan-janaka roa, voarohirohy amin’ny resaka vono olona teny amin’ny faritra Ambohidratrimo iny, nentina tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy, omaly antoandro tamin’ny 11 ora, no mody adala ary nentin’ny havany nitsoaka haingana. Rehefa nigadona tetsy Anosy ity raim-pianakaviana ity dia nitrifana eran’ny tokontanin’ny lapan’ny fitsarana. Nihevitra azy adala tokony ny olona nanan-draharaha teny, sady ny havany tamin’io nitondra azy nitsoaka nanao tari-dositra sady nilaza tamin’ireo olona nifanisika nijery : “ mikisaha nareo fa adala sy romotra io ”.
Dia nino tokoa ny olona, ka nikisaka haingana nanome lalana, kanefa rehefa voasambotra ity lehilahy mody adala ity vao valalanina ny rehetra, hay olona nahavita heloka bevava atolotra ny fitsarana izy. “ Tsy adala aho, ary avelao aho higadra hanefa ny sazy tamin’ny ratsy vitako “, hoy izy nitsotra tamin’ireo havany. Ahitan-java-tsampona foana etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy. Tsaroan’ny rehetra, iray volana lasa izay, tovolahy iray nandoro tranon’olona teny amin’ny faritra Avaradrano iny, nitsoaka rehefa nentina teny amin’ny fitsarana, ary nirobo-drano tsy nety niala ora roa tao amin’ny rano maimbo eo amin’ny farihan’ Anosy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici