- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilCOVID-19Fitsaràna Anosy : Olona telo matin'ny Covid, noferana ny asa

Fitsaràna Anosy : Olona telo matin’ny Covid, noferana ny asa

Noferana ho ny asa farafahakeliny (service minimum) no atao ary tsy mandray raharaham-pitsaràna vaovao intsony. Izay no baiko izay mihatra avy hatrany amin’ireo mpiasam-panjakana ao amin’ny lapam-pitsaràna etsy Anosy. Nanamafy izany fanapahan-kevitry ny ministeran’ny fitsaràna izany koa ny fisian’ny olona telo izay lavo noho ny asa tao an-toerana. Ny tribonaly etsy Anosy no sampan-draharaham-panjakana izay fahatelo be mpivezivezy indrindra eto amin’ny firenena. Entina hampidinana ny isan’ny olona izay mifamoivoy ao an-toerana mba tsy hampiparitaka ny valanaretina Covid-19 no antony voalohan’ilay fanapahan-kevitra izay mihatra avy hatrany mandritry ny 15 andro izay voafaritra hampiharana ny fepetra rehetra mifandraika amin’ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Miteraka olana ho an’ny olona manao taratasy ara-pitsaràna sy ireo izay manana raharaham-pitsaràna izany ary betsaka ny mody maina ka velon-taraina. Toa izany koa ho an’ny sampan’ny mpitandro ny filaminana sasany izay sahirana amin’ny fitazomana ireo olona tokony haterina eny amin’ny fitsaràna. Mandray dosie ihany ny mpitsara fa ireo izay tsy maintsy horaisina noho ny lanjany aloha no alefa voalohany. Toa izany koa ny raharaham-pitsaràna, betsaka no nahemotra noho ny Covid-19. Na izany aza mitohy ihany ny fangalàna taratasy izay ilaina ara-panjakana (casier judiciaire) sy ny raharaham-pitsaràna toa ny ady maika.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici