Nahatsikaritra ny fitsarana ao Fenerivo Atsinanana, fa nitombo be ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ireo zaza tsy ampy taona, tao anatin’ny fihibohana noho valanaretina Coronavirus. Ny fanolanana no betsaka amin’izany fanararaotana ara-nofo mahazo azy ireo izany, satria ny volana janoary 2020 hatramin’ny volana aogositra 2020 dia 19 ny raharaha tonga teo anivon’ny fitsarana misahana ny zaza tsy ampy taona tao Fenerivo Atsinanana. Zaza manomboka amin’ny 09taona hatramin’ny 19taona; izay saika ireo manodidina ny zaza ihany no mahavanon-doza mandritra izany. Raha ny fanazavan’ny fitsarana tao Fenerivo Atsinanana, dia ny tao amin’ny distrikan’i Vavatenina no tena nahitana tranga fanolanana maro indrindra tao amin’ny fari-piadidian’ny fitsarana ao Fenerivo Atsinanana. Nanambara koa ny fitsarana, fa nitombo ihany koa ny zaza tsy ampy taona mahavita heloka amin’izany fanolanana izany ankehitriny. Vokatr’izay rehetra izay, dia nanapa-kevitra ireo mpiasan’ny fitsarana tao Fenerivo Atsinanana nanao ny atrikasa mikasika ity herisetra mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona ity. tao Soanierana Ivongo no nanombohana izany, notohizana tao Fenerivo Atsinanana izay natao ny zoma 28 aogositra teo. Voaresaky ny fitsarana tao Fenerivo Atsinanana tamin’ny rehetra, fa tsy fialokalofan’ny mpanolan-jaza ny haben’ny zaza voaolany, fa ny taonany ihany no mikaonty amin’izany. Ankilan’izay, dia nahazo vahana tao Fenerivo Atsinanana ihany koa tato ho ato; izay nahitana tranga 03 hatramin’ny 04 ao anatin’iray volana, ny fanaovana fanolanana mitamba-be ataon’ireo andian-jatovo, izay nilazan’ny fitsarana fa handray fepetra henjana mahakasika izany ny fitsarana ao, manomboka izao. Maro ny ezaka vita momba ny fitsarana mitety vohitra, saingy misy hatrany ireo mpijirika ka ny ankamaroany dia ireo avy aty Toamasina izay efa nandraisana fepetra ka nahatonga ireo mpijirika roa nigadra ankehitriny. Malalaka ny varavaran’ny fitsarana ho an’ny fitarainana samihafa sy ny fanazavana amin’ireo raharaha tsy mazava amin’ny olona, hoy ny tonia mpampanoa lalàna, Atoa Jao Denis sy ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Fenerivo Atsinanana, Rtoa Mernako Minerva. Ankoatra izany, dia ny 05 mey 2019 no nisokatra sy niasa voalohany ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenerivo Atsinanana ity, izy no misahana ny raharaham-pitsarana: Vavatenina – Soanierana Ivongo – Sainte Marie – ary Fenerivo Atsinanana. Manana ny fitsarana azy manokana kosa ny ao Maroantsetra ny distrikan’i Matoantsetra sy Mananara Avaratra. Hatreto aloha, dia ny ady tany no tena antontan-taratasin’ady tonga eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenerivo Atsinanana, raha ny fanazavan’ireo mpitsara.
Malala Didier