- Publicité -
samedi, septembre 6, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsarana Fenerivo Atsinanana : Nampidirina am-ponja vonjy maika ny ben’ny tanànan’Antsiatsiaka

Fitsarana Fenerivo Atsinanana : Nampidirina am-ponja vonjy maika ny ben’ny tanànan’Antsiatsiaka

Io ampovoany, nentin’ny zandary.

Tsy mitsitsy amin’ireo mpandika lalàna ny fitsarana malagasy indrindra fa ny ao Fenerivo Atsinanana. Ny ben’ny tanàna am-perinasa tsy maintsy nampidirina am-ponja vonjy maika noho ny fandikan-dalàna nataony tamin’ny fidarohana olona ao anatin’ny kaominina tantaniny, iray nahazoan’ny « certificat médical » tamin’ny mpitsabo mihitsy. Araka ny vaovao ka nampiakatra azy fitsarana tao Fenerivo Atsinanana dia ity ben’ny tanàna ao Antsiatsiaka ity nidaroka vehivavy bevohoka ka nahafa-jaza azy mihitsy taorian’izany. Voalazan’ilay ramatoa voadaroka sahy nitory azy teny amin’ny fitsarana dia nofatorany rojo vy ilay vehivavy bevohoka fa nolazainy fa nangalatra ny akohony, sy nodarohan’ilay ben’ny Tanàna ihany koa fa tsy nanaiky niteny ny marina taminy amin’ny zavatra tsy nataony akory, ary nitosaka ny rà taminy vokatra izany ka afaka ny zanany telo volana an-kibo. Fantatra ihany koa nandritra izany fa mbola nanambana basy olona tao Antsiatsiaka koa ity ben’ny tanàna ity, ary nandrahona hamono ilay olona nandritra izany. Nohenoina avokoa na ilay ben’ny tanàna, na ireo vavolombelona samy hafa, ka nandany ora maro ny fihainona ireo olona rehetra ny 02 septambra, teo anoloan’ny fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana. Efa niakatra haino aman-jery ireto mpitsara samy hafa ireto tao Fenerivo Atsinanana, fa tsy hananan-kavana ny raharaham-pitsarana ary mitovy ny rehetra eo anoloan’izany fitsarana izany satria tsy misy eo ambony lalàna amin’izy ireo ny rehetra. Amin’ny fitsarana mantsy dia « fiarovana ny vahoaka ny lalàna indrindra ireo marefo araka ny politikam-pitsarana eto amintsika », hoy ireo mpitsara. Raha nivoaka ny didy savaranonando dia fanafonjana vonjy maika no navoakan’ny fitsarana mbola an’ity raharahan’ny ben’ny tanàna ao Antsiatsiaka ity. Nivoaka nandritra izany koa ny datin’ny fitsarana ny raharaha, ka ny faha-02 ny volana oktobra izao no anaovana izany ; ka ho hita mandritra izany ny akon’ny fitsarana azy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici