- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFitsaràna fiarakodia : Nofoanana ny teny Nanisàna

Fitsaràna fiarakodia : Nofoanana ny teny Nanisàna

Tsy hisy intsony ny fitsaràna fiara eny amin’ny foiben-toeranan’ny Omavet eny Nanisàna, araka ny fampahafantarana nataon’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny Foibe fitantanana ny fitsaràna fiarakodia, na ny DGSR, omaly, tetsy Betongolo. Izany, hoy ny tompon’andraikitra voalohany, ny Jly Ratelo André, dia noho ny fahataperan’ny fifanaraham-panofàna teo amin’ny roa tonta. Araka izany, ireo fiara fitateram-bahoaka, toy ny taxi-brousse sy taxibe, miaraka amin’ireo fiarabe izany nanao izany fitsaràna fiara izany teny an-toerana dia afaka manao izany antsakany sy andavany, eny amin’ireo sampana tovana eny Betongolo sy ByPass, na eny Ivato. « Ny taxibe manao zotra eto an-drenivohitra dia eny Betongolo no tsaraina. Ireo taxi-brousse kosa, ny taxibe mivoaka ny renivohitra, ny kamiao milanja 3,5T no mihoatra, ny « tracteur » ary ny « remorque » sy ny « semi-remorque » kosa dia afaka manao izany eny Bypass na eny Ivato », hoy hatrany ny fanazavàna. Tsy misy mahasamihafa azy amin’ny teo aloha ny fomba fiasa fa vao mainka aza nasiam-panatsaràna izany, hoy hatrany ny Tale Jeneraly. Raha ny naseho omaly tokoa tetsy Betongolo dia hita fa maro ireo fitaovana vaovao entina manome fahafaham-po ireo mpanjifa. « Nasiam-panatsaràna ireo foibe fitsaràna tovana ireo noho izany, fa indrindra eo amin’ny lafiny ara-pitaovana. Anisan’izany ny « ligne de contrôle technique », ny « graveur métallique de plaque chassis », ny fitaovana fijerena ny momba ny jiro manokana ary ny fitsirihana ny entona avoakan’ireo fiara ». Izany hoe, arifomba tanteraka hatreto ity Foibe fitsaràna fiara ity. Mampanantena hatrany ireto tompon’andraikitra ireto fa mbola ireo vina hanatsaràna ny fomba fiasa eo amin’ity sampandraharaha ity fa indrindra ny ady amin’ny kolikoly sy ny hosoka isan-karazany izay efa imasoan’izy ireo tanteraka amin’izao. Izany rehetra izany moa dia mba hisorohana ireo lozam-piarakodia mety hitranga, araka ny tarigetran’izy ireo « Lahitokana ny aina ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici