Mitohy hatrany ny asa sosialy ataon’ny tarika Nantenaina sy ny ekipany, amin’ny fanaovana fitsarana mitety vohitra ho fanomezana kopia ireo tsy manana izany ; izay tena maro eto Toamasina noho ny antony maro ara-piarahamonina sy ny kolikoly ary ny fahantrana. Raha mihoatra ny 3.000 ny kopia efa nozaraina noho ity fitsarana mitety vohitra ity, ny taona nivalona 2018 iny, vao manomboka kosa ny taona 2019 ity dia efa mahatratra 1.200 ny antontan-taratasy fangatahana voarain’izy ireo mangataka izany kopia izany amin’ny alalan’ny didim-pitsarana. Ny zoma teo, dia anjaran’ny boriborintanin’Ankirihiry sy Tanambao V ary ny mpianatry ny EPP Todivelona Raphael no nanaovana ny fitsarana mitety vohitra izao ity. Aorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana, dia anjaran’ireo ray aman-dreny sy ireo mpiantoka ny mitondra izany eny amin’ny kaominina havadika ho kopiam-pahaterahana. Araka ny nambaran’ny tarika Nantenaina ; izay mitarika ity hetsika fitsarana mitety vohitra ho fanomezana kopiam-pahatarehana ho an’ny tsy manana izany eto Toamasina ity. Efa zava-dehibe ny fandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra nampitombo ho 30 volana ilay 12 volana fe-potoana fanambaram-pahaterahana eny amin’ny kaominina ity, satria io no tena olana ho an’ny rehetra noho ny tsy fandraisan’andraikitra ny raim-pianakaviana sy ny fianakavian’ilay zaza vao teraka ary ny kolikoly be loatra eo anivon’ny kaominina sasany amin’ny fakana vola be loatra. Efa hanova zavatra maro ny zava-misy izao hoy hatrany ny tarika Nantenaina sy ny ekipany. Na izany dia manao antso avo izy ireo mba samy nahao hetsika ny fikambanana sami hafa ara-tsosialy misy eto Toamasina sy manerana ny Nosy fa tena olana ara-piarahamonina eto amintsika ity resaka kopiam-pahaterahana ity, nefa miankina amin’izany ny ho avin’ny zaza sy ny olona iray eo amin’ny fiainany sy ny fianarany ary ny asany. Milaza ny mbola hanohy ny hetsika fanaony ny tarika Nantenaina, satria miantoka ny fandrosoana ho an’ny tsirairay ny fananana kopia.
Malala Didier