Nifanaretsaka ireo tovovavy tonga teny amin’ny kianjan’i Betongolo namaly ny antso izay nataon’ny Fitsarana miaramila Fitaleavan’ny Fanompoam-pirenena sy Fiandry (DSNGR) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tsy maintsy hitsaran’ny zatovo Malagasy rehetra, na lahy na vavy miaramila. Nisantatra izany omaly Talata 15 desambra ireo vehivavy rehetra avy ao amin’ny borobory tany 6 eto Antananarivo-Renivohitra. Ny omaly Talata sy ny Alakamisy no natokana ho an’ny vavy ary ny Alarobia sy ny Zoma no andro ho an’ny lahy. Mandritra izany dia fizaham-pahasalama ohatrany fanao rehefa hiatrika fanadinam-panjakana ihany ity atao ity ka tsy misy tokony hatahorana. Vehivavy avokoa ny Dokotera sy ny mpitsabo mpanampy mandray ireo vehivavy. Ny antonta taratasy ilaina amin’izany dia ny karapanondro-pirenena irery ihany, efa misy ny “fiche vert” fenoina eny an-toerana.
Nambaran’ny Jeneraly Rasolonirina, talen’ny DSNGR fa miisa 339 ireo foibe toerana hanatanterahana izany manerana ny Nosy ka mitsinjara ho distrika 119. . Ny olom-pirenena rehetra lahy na vavy feno 19 taona hatramin’ny 31 taona ny taona hitsahana no voakasik’izany, araka ny voafaritrin’ny lalana faha 3 voalaza ao amin’ny “ordonnance” 78 002, andiny voalahany. Milaza fa ny teratany Malagasy no tokony hanatanteraka izany, mitovy zo ny olom-pirenena lahy sy vavy. Araka ny voalaza ao amin’ny adininy faha 2 dia ny olom-pirenana dia manana adidy sy andraikitra eo amin’ny Fiarovam-pirenena ary fampandrosona ny firenena. Anisan’izany ny fihatrehany izy ireo fanisana izay atao ny voalohan’ny volana Aprily hatramin’ ny volana jona sy ny fitsarana miaramila ny voalohany volana jolay fa nohon’ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena dia tsafaka notanterahina izany raha tsy izao.
Marihina anefa fa tsy midika hoe tsy voatery ho lasa miaramila avokoa ireo rehetra manatanteraka izany fitsarana miaramila izany fa safidy malalaka ho an’ny tsirairay ny hanao miaramila na tsia. Nazavain’ny jeneraly Rasolonirina fa amin’ity taona ity dia tsy mbola misy ny fandraisana vehivavy hanao ny fanompoam-pirenena fa mbola hanao ny foto-drafitr’asa amin’izany ny eo anivon’ny Tafika. Ho an’ireo lehilahy maniry hanatanteraka izany indray dia mametraka ny fangatahiny eny amin’ny birao ny fiarovana eny anivon’ny distrika izy, izay soniavin’ny lehibe ny distrika ary mampiakatra izany eny amin’ny DSNGR.
T.M.