Azo lazaina fa efa ao anatin’ny fanomanana ny taom-pitsarana miaramila sy ny fanisana ireo zatovo feno taona ka tokony hiatrika izany ho amin’ity taona 2022 ity ny eo anivpn’ny Tafika Malagasy amin’izao fotoana izao. Mifandrimbona amin’ny fanatanteraha izany ireo ratsamangaika rehetra eo anivon’ny Tafika izay eo ambany fitarihan’ny Fitalean’ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry na ny DSNGR (Direction du service national et de la gestion de réserves) etsy Andohalo. Ao anatin’izay ezaka izay indrindra dia nahazo karatra maintso 66 000 ny DSGNR omaly 14 febroary 2022 ka avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny 35 000 ary avy amin’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ireo Etamazaoro mandrafitra ny Tafika kosa ny 31 000. « Ilaina ny fanisana miaramila mba ahafahana mahafantatra ny isan’ireo zatovo lahy sy vavy atao fiandry ary hantsoina raha misy ilan’ny firenena azy ireo amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena » hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jeneraly Rakotonirina Richard nandritra ny fandraisany fitenenana tamin’ny lanonana fanolorana ireo fitaovana ireo omaly. Adidin’ny olom-pirenena rehetra lahy sy vavy feno 19 taona hatramin’ny 31 taona, ny taona hitsahana ny mitsara miaramila araka ny voalaza ao amin’ny didi-hitsivolana laharana faha 78 002. Ny zatovolahy ihany anefa no voakasik’izany teo aloha fa nanomboka ny 2020 kosa no niantso ireo zatovovavy ny tompin’andraikitra mba hitsara miaramila ho fanajana ny lalàna velona misy eto amin’ny firenena. Nambaran’ny minisitra moa fa natao izany mba hametrahana ihany koa ny fitovin-jo eo amin’ny lahy sy vavy sy ny fanajana ny miralenta. Nandritra ity lanonana teny Andohalo ity no nilazan’ity minisitra ity fa manomboka izao dia hivelatra amin’ny resaka « digitalisation » ny DSNGR mba ahafahana misoroka ny hosoka sy ny kolikoly eo amin’ny fikarakarana ny karatra maitso na ny « Certificat de position militaire ». Vokatr’ity tolo-tanana nataon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoro ity dia antenaina sahady fa hisitraka avy hatrany ny karatra maitso ireo zatovo hitsara miaramila manomboka izao izay hita fa efa betsaka tokoa no mavitrika amin’izany. Raha ny tarehimarika avy eo anivon’ny DSNGR dia nahatratra 207.114 no nitsara miaramila ny taona 2021 ary 176.286 kosa no nahavita izany ho an’ny zatovo vavy.
T.M.