- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana ny fitantanam-bolam-panjakana Toamasina : Voasazy hamerim-bola ny mpitantam-bolan’ny kaominina

Fitsarana ny fitantanam-bolam-panjakana Toamasina : Voasazy hamerim-bola ny mpitantam-bolan’ny kaominina

Nanao ny tatitry ny fitantanam-bolan’ireo sampan-draharaham-panjakana misy eto Toamasina sy manerana ny Nosy, ny zoma misandratr’andro teo, ny fitsarana misahana ny fitantanam-bolam-panjakana Toamasina. Nandritra izany no namoahan’izy ireo didy raikitra ny tsy maintsy hamerenam-bola ho an’ny mpitantam-bolan’ny kaominina ambonivohitry Toamasina eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana Toamasina, ka mitentina 34,5 tapitrisa ariary izany vola izany; izay saika nalaina tamin’ny fanaovam-pety sy lanonana teo anivon’ny teti-bolan’ny kaominina, araka ny fandaniam-bola  taona 2011. Ankilan’izany, nambaran’ny fitsarana misahana ny fitantanam-bolam-panjakana hatrany, nandritra ny lanonam-pitsarana nataony am-pahibemaso tao amin’ny birao fiasan’izy ireo, dia tsapa sy hita avokoa ireo tsy fanarahan-dalàna sy ireo lesoka nataon’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, izay naraha-maso manokana ny taona 2018 tamin’ireo tsenam-baro-mpanjakana nataon’izy ireo avy. Isan’izany ireo tsenam-barom-panjakana tsy nisy akory sy tsy nanaraka ny fifanarahana ny asa vita tamin’ny famoaham-bola nataon’ny fanjakana. Ankoatra izany, dia maro ny torohevitra nataon’ny fitsarana ny fitantanam-bolam-panjakana mikasika ireo olana misy tao anatin’ny tatitra nataon’izy ireo, isan’izany ny fanarahan-dalàna sy fanarahana ny zava-misy marina ny fanamboarana ny teti-bolan’ny kaominina. Ny fanajana ny fifanarahana sy fanamafisana ny fanaraha-maso ireo voalazan’ny tolo-baro-panjakana. Nohamafisin’ny fitsarana ny fitantanam-bolam-panjakana ireto ihany koa, fa didy raikitra ny didy avoakan’ny mpitsara ara-bola-panjakana, ka tsy maintsy tanterahana izany aorian’ny fivoahany, satria tsy misy ny fampiakarana azo atao aminy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici