- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana : Roa lahy sy zanaka pasitera nanodina zaza tsy ampy taona

Fitsarana : Roa lahy sy zanaka pasitera nanodina zaza tsy ampy taona

Nahoraka taty Ambositra ity raharaha ity.

Tovolahy telo, ka zanaka pastera ny iray, ary efa samy manana anton’asa avokoa no voarohirohy ho nanodinkodina zaza tsy ampy taona, tany Ambositra ary niakatra fitsarana omaly. Telo vavy, 15 taona ny roa, ary 17 taona ny farany ireo voalaza fa nahodinkodin’izy ireo. Tsy hita tany am-pianaran’izy ireo no tsy nody an-tranon’ny ray aman-dreniny avy nandritra ny andro vitsivitsy. Nanao fitaraina teny anivon’ny polisim-pirenena ireto farany noho io zava-misy io. Nanokatra fanadihadiana ny polisy ary nanao ny fikarohana ka ny alakamisy teo no tratra avokoa ireo tovolahy telo nisitrihan’izy telo vavy. Rehefa natao ny fakana am-bavany azy ireo dia fantatra fa mitondra vohoka efa-bolana ilay tovovavy 17 taona, tamin’ny nahitana azy ireo. Voampanga ho nanodinkodina zaza tsy ampy taona avy hatrany izy telo lahy.

Natolotra ny fampanoavana tany Ambositra omaly izy telo lahy ireo. Notanana vonjimaika avokoa izy ireo, ary naverina amin’ny ray aman-dreniny izy telo vavy. Nazavan’ny mpahay lalàna fa fanodikondinana zaza tsy ampy taona foana no anenjehana ny olona na nanaiky tsy an-tery aza ireo zazavavy hanaraka. Ireto ankizy tsy nody andro efa andro maromaro rahateo. Mampiditra am-ponja iray ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizana ny fanodikondinana zaza tsy ampy taona, araka ny andinin-dalàna famaizana malagasy. Miandry ny fotoam-pitsarana azy ny raharaha.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici