- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana –Toamasina : Misy 12 ireo didy asa an-terivozona mandra-pahafaty nivoaka

Fitsarana –Toamasina : Misy 12 ireo didy asa an-terivozona mandra-pahafaty nivoaka

Nifarana ny alatsinainy 12 oktobra teo, ny andian’ny voalohany raha nanomboka ny 08 septambra teo. Niisa 100 ny antontan-taratasin’ady niakatra fitsarana ady heloka io, ka mbola loha-laharana ny vono olona niaraka tamina fanafihana mitam-piadiana izay nisy 73, raha faharoa ny fanolanana zazavavy latsaky ny 15 taona izay nisy 25. Tsy nilefitra tamin’ny resaka vono olona niaraka tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana ary tao anaty fanaovana fikambanan-jiolahy mihitsy ireo mpitsara sy ireo mpitsara mpanampy miaraka aminy, ka tao anatin’ireo antontan-taratasin’ady notsaraina mikasika izany; dia 12 ireo namoahana didy mifonja asa an-terivozona mandra-pahafatiny sy tsy afaka mandia faritany. Nisy ihany koa antontan-taratasy iray nanao vola sandoka tratra niaraka tamin’ny fitaovana fampiasany izay nahazo ny sazy henjana ihany koa, araka ny làlana mifehy ny resa-bola eto amintsika. Niisa 14 kosa ireo namoahan’ny fitsarana ady heloka fonja 20 taona, noho io resaka vono olona io ihany, nandritra ny halatra nataony. Ity andiany voalohany ity ihany ny fitsarana ady heloka be vava tratran’ny fitsarana ambony ao Toamasina natao, tamin’ity taona ity, noho tsy fisian’ny tetibola alefan’ny minisiteran’ny fitsarana izay tsy ampy tetibola ampiasaina ihany koa. Raha ireo taona teo alohan’ny tetezamita dia mahatratra  07 no nataon’ny fitsarana ambony Toamasina; izay nihena ho 2 sy 3 nandritra ny tetezamita, ary izay tonga amin’ny tokana izao no niafarany noho ny resa-bola tsy misy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici