Hafa noho ny hafa ity raharaham-pitsarana teto Toamasina, omaly misandratr’andro ity, izay natao tao amin’ny efitrano faharoan’ ny fitsarana ambony. Resaka “mpanera” nisandoka ho mpisolovava tratra am-bodiomby teo an-tokotanin’ny fitsarana no notsaraina nandritra izany, ka nivoahan’ny tsiambaratelo misy amin’ny fifandraisan’ireo “mpanera” sy ny “mpitsara” ny raharaha. Niaro ny asany misy misandoka ataon’ireo mpanera mameno ny fitsarana ireo mpisolovava nandritra ny fitsarana omaly; tao ireo niaro ireto mpanandran-draharaha nisolikiana ara-bola 16,4 tapitrisa ariary natao intelo miantoana, 1,4 tapitrisa ariary sy 3 tapitrisa ariary ary 12 tapitrisa ariary, ho fahazoana “LP”; tao kosa ireo niaro ny asany noho izy ireo isan’ny mpitory. Tao anatin’ny ora iray sy sasany nitsarana ny raharaha, dia namoaka didy ny filohan’ny fitsarana, ka namonja azy roa lahy tratra dimy taona avy am-ponja sazy mihatra, teo koa ny lamandy 720.000 ariary amin’ny fitsarana, ny vola onitra nangatahan’ireo mpisolovava, ary ny onitra 16,4 tapitrisa ariary nangatahan’ireo olon-tsotra voasoloky mpitory ihany koa.
Nandritra ny fitsarana koa anefa, dia nivoaka ny tena zava-misy marina mahatonga ireto “mpanera” maro be mameno ny tokotanim-pitsarana eto Toamasina. Na tsy sahy namoaka ny anaran’ireo mpitsara roa tamin’izao raharaha izao ; izay mpandray ny volan’izy ireo, dia fantatra ihany araka ny nambaran’ireo mpisolovava am-pahibe maso fa mpitsara miasa eo anivon’ny fampanoavana sy mpitsara mpamoaka didy izy ireo. Nambaran’ireto mpisolovava hatrany, fa tena tamba-jotra izy ity ka mbola misy izany mpandraharahan’ ny fonja sy izany mpiasa eo anivon’ilay mpitsara eo anivon’ny fampanoavana izany ao anatin’izao raharaha izao, izay angatahan’izy ireo ny hanenjehan’ny fitsarana azy ireo.
Raha hiverenana ny raharaha, dia niainga tamin’ ilay raharaha fitsaram-bahoaka niteraka faty olona tao Soanierana Ivongo. Izy roa lahy indray no nisandoka ho mpisolovava tamin’ireto mpandraharaha raha nahazo toky tamin’ireto mpitsara roa ireto, ka nanao ilay fisolokiana vola be. Tonga teny amin’ny polisy mihitsy ity mpitsara ity tamin’ny fakana am-bavany azy roa lahy. Afa-po tamin’ny didy nivoaka ireo mpisolovava, hoy ny delegen’izy ireo, ny Me Rabenjarijaona Antonio; nefa mila mandray ny andraikiny koa ny filan-kevitra ambonin’ny mpitsara sy ny sendikan’ny mpitsara amin’ireo mpitsara roa mpikambana ao amin’izy ireo voatonona, satria manimba ny fitsarana izany no mahatonga ny olona tsy hatoky ny fitsarana ihany koa.
Malala Didier