Fiara hatrany amin’ny 1417 tany ho any no voasava tao anatin’ny fitsirihana tampotampoka notanterahan’ny Foibe fitsara fiarakodia, niaraka tamin’ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny efatr’andro izay. 498 tamin’ireo no fantatra, fa nahitana tsy fahatomombanana, fiara 80 kosa no tsy maintsy nampidirina “fourrière”. Tratra tamin’ity fisavana tampotampoka ity ihany koa ny fiaram-panjakana roa; izay voalaza fa tsy nanana taratasy mahakasika ny fiara ary ambonin’izay dia tsy mbola nandalo fitsirahana ara-tekinika hatramin’izay. “Nandraisana fepetra avy hatrany, toy ny fiaran’olon-tsotra ihany koa izy io” hoy ny tatitra azo avy tamin’ireo tompon’andraikitra. Fa ankoatr- an’io dia mbola nahatrarana fiara iray izay ahiahiana no nanao hosoka ihany kosa, nandritra izay fisavana izay ary hanokafana fanadihadiana.
Nanomboka ny alatsinainy teo ity fidinana ifotony, nanaovana fitsirihana tampoka teny an-dalambe ity, teto Andrenivohitra. Nandritra izany moa no fantatra, fa maro tokoa ireo tsy fahatomombanana hita tamin’ireo fiara, anisan’izany ny faharatsiana na anatiny na ivelany, ny fiara mamoaka setroka tafahoatra, ny fiara karetsaka mampiasa solika alefa mivantana amin’ny bidao na tavoahangy, ny tsy fananana taratasy na ny fampiasana hosoka, sns. Ary saika ireo fiara mpitatitra entana (biriky, hazo, fasika, …) eto Andrenivohitra, dia “tsy manana visite téchnique na taratasy ny ankamaroany”. Milaza ny ho hentitra tanteraka ireo tompon’andraikitra amin’izany amin’ny alàlan’ny Foibe fitsarana fiara, ary tsy hamindrafo na amin’iza na amin’iza. “Tsy ekena ny fanelanelanana (intervention) mba hisian’ny fifamoivoizana hieren-doza” hoy hatrany ny voarakitry ny tatitra azonay.
m.L