- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFitsoahana an-tsokosoko ny Renivohitra : Fiara valo nogiazana, olona 14 nosamborina natao...

Fitsoahana an-tsokosoko ny Renivohitra : Fiara valo nogiazana, olona 14 nosamborina natao fanadihadiana

Efa nambara ombieny ombieny, fa tsy misy mahazo mivoaka ny Renivohitra, raha tsy mahazo alàlana. Omaly sy afakomaly dia fiara valo, « taxi-brousse » ny dimy ary fiara madinika ny telo no voatery nogiazan’ny pôlisy tetsy amin’ny Fasan’ny karàna, raha nikasa ny handeha hitondra olona hivoaka ny Renivohitra. Araka ny fanazavana azo, dia tsy nisy nanana taratasy fahazoan-dàlana izy ireo.

« Manoloana ny fiparitahan’ilay valanaretina covid19 dia hentitra ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena amin’ny fampiharana ny lalàna ary mitohy ny ezaka fampanarahan-dalàna ny olom-pirenena » hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena. Nisy araka izany fisafoana sy fitsirihana matetika ireo lalam-pirenena mivoaka ny Renivohitra ka tamin’izany no nahatrarana ireto fiara ireto. Tetsy an-danin’izay dia voalaza fa olona 14 no voasaringotra tao anatin’ity raharaha ity, ary nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy mba hofotorana. Mpamily sy mpanampin’ny mpamily ary mpanera ireto olona ireto.  Nisy tamin’izy ireo aza moa, araka ny fanazavana azo hatrany, no mbola saika hanao risoriso tamin’ireo pôlisy nanakana azy, ka tsy maintsy hanaovana fanadihadiana manokana mihitsy. «Hentitra moa ny Minisitry ny filaminam-bahoaka manolona ny trangana kolikoly tahaka izao, satria tafiditra indrindra ao amin’ny vina napetrany raha iny izy handray ny Minisitera iny ny fiadiana amin’ny kolikoly; izay anisan’ny manaratsy ny asan’ny Polisim-pirenena » hoy hatrany ny vaovao. Tsiahivina moa fa tsapa ho nihaniparitaka be indray ity valanaretina ity, tao anatin’ny herinandro izay. Raha ny omaly fotsiny, araka ny vaovao nomen’ny teo anivon’ny CCO Ivato, dia efa nahatratra 35 ireo olona voan’ny valanaretina Covid-19.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici