Efa tena gaboraraka mihitsy ankehitriny ny fanaraha-maso ny entana amidy eny an-tsena, tsy mivalona ny vary lo misy mivarotra an-tsokosoko na efa manao ny ezaka mafy amin’ny fanaraha-maso izany ny eo anivon’ny varotra sy ny fanjifana Analanjirifo . Izao indray dia tsy hita manao ny asany ny eo anivon’ny sampan-draharahan ‘ ny fahasalaman’ny biby izay mpanara-maso ireo hena amidy eny an-tsena any an-toerana. Isan’ny mety hiteraka olana ara-pahasalaman’ny mpihinana anefa ny aretina misy amin’ireo biby fiompy amidy an-tsena ireo, raha tsy voaara- maso ny fahasalamany sy ny aretina misy ao amin’izy ireny. Ankehitriny nefa dia gaga ny mpanjifa ao Fenerivo atsinanana fa tonga eny an-tsena ireo atin-kena misy “Dinta” sy ireo hena tsy misy fitomboka nefa tsy misy taitra amin’izany ireo tompon’andraikitra mikasika izany; manginy fotsiny ihany koa ireo hena samy hafa efa manangana sy feno lalitra ary efa mamoaka fofona maimbo be mbola misy mivarotra an-tsena ihany tsy misy mpanakana sy mpisava ary mandrara mihitsy. Hatramin’izao, dia tsy hita popoka ilay toky nataon’ny depioten’i Fenoarivo atsinanana, Mohamad Ahmad na Ahmad hely amin’ny fanamboarana toeram-pamonoana omby any an-toerana, hany ka amin’ny toerana tsy ara-dalana amoron-drano sy amin’ireo toerana hitan’ny mpamono omby fa mety hanaovany izany no hamonoan’izy ireo ny omby hanin’ny mponina any an-toerana.Vokany tandindonin-doza tanteraka ny fahasalaman’ny mponina ao Analanjirofo noho izany…
Malala Didier