Fahantrana sy rendrarendra, noho ny fitiavam-bola sy lamaody no antony iray anisany manosika ny tsy ampy taona hivarotena, indrindra ny ankizivavy, raha ny fanazavana azo. Misy amin’izy ireo no mpianatra ary miavona rehefa kaotin’ny tovolahy amin’ny antoandro. Nefa rehefa vao mirotsaka ny haizina dia mivarotena. Misy ny teren’ny zavamisy tsy afa-manoatra, ohatra marary ny ray aman-dreniny na tsy an’asa. Fa ny sasany kosa dia noho ny fitiavana andrakandrana amin’ny voalohany, noho ny rendrarendram-piainana, satria hono vola malaky sady tsy mila diplaoma na traikefa sy C.V ny mivarotra fitombenana.
Ratsy ny tsena. Tsy voatery mijorojoro toy ny fanaon’ireo koaitra zokiny izy ireo, izay miaritra ny hatsiaka, hain’andro sy orana eny rehetra eny, fa efa misy mpanera, ka raha vao raikitra ny adivarotra (dralà) dia lasa rapida mizara fahafinaretana. Matetika dia ireo vazaha antitra tsy fanta-piaviana sy tsy manana anton’asa mazava no tena mpanjifany. Eo ihany koa ireo manan-katao te-hanala azy. Manodidina ny 15 000 ka hatramin’ny roa alina ariary ny matory indray alina, indrindra ny andro fety sy faran’ny herinandro, hoy ny loharanom-baovao marim-pototra. Maso mahita, misy roboka hatramin’ny raim-pianakaviana manambady aman-janaka, mba manandran-tsira hono, ka nanjifa lany nampirevena sipakely ny karama iray volana, toy ny tranga tao Bazaribe Toliara volana vitsy lasa izay.
Ireo tovovavy sahisahy sy efa mahita fafiny amin’ity asa tranainy indrindra eto an-tany ity dia tsy menatr’olona intsony mitily mpanjifa, ka efa miandriandry kil amin’ireny toeram-pisakafoana lehibe, bar, toerana be olona mpandalo sy mivorivory, . . . Na izany aza, ratsy ny tsena amin’ny ankapobeny amin’izao, hoy ireo nanontaniana. Ny vohoka tsy irina sy ny aretina azo amin’ny firaisana tsy voaaro moa tsy lazaina eto intsony. Vokany, fahantran-dava no misy. Dia ho sanatria ve lasa entam-barotra hitadiavam-bola ivelomana ny ankizivavy sasany amin’izao ? Dia ahoana ny hoaviny rahampitso ?
Manitrisa