- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFivarotana lehibe tsy manara-dalàna : Naiditra « violon » ireo tompony, ary...

Fivarotana lehibe tsy manara-dalàna : Naiditra « violon » ireo tompony, ary nosaziana avokoa ny mpividy

Raha ny omaly alahady fotsiny, dia fivarotana nahatratra teo amin’ny 37 isa teo ho eo, izay tsy tokony hisokatra, ato anatin’izao fihibohana fanindroany izao  no mbola tra-tehaka tsy nanara-dalàna ka voatery nandraisana fepetra henjana hoy ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Teny amin’iny faritra Tsaralalàna, Antaninarenina, Behoririka, Isotry, Andraharo, Andravoahangy, … izy ireo.

Tsy misy indrafo intsony na iza io na iza … Hentitra tanteraka ireo mpitandro filaminana amin’ny fampiharana ireo fepetra rehetra noraisina hiadiana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19, indrindra fa ny eto an-dRenivohitra. Efa napetraka, fa ireo mpivarotra entana tena ilaina  andavanandro sy ireo fivarotam-panafody ihany no afaka misokatra mandritra ity fihibohana ity kanefa hita fa mbola betsaka ireo mpivarotra zavatra hafa no mbola misokatra. Anisan’ireny ireo mpivarotra fitafiana sy ireo magazay mivarotra kojakojan-tokantrano, teny amin’iny faritra Tsaralalàna iny, ireo « quincaillerie » sasantsany teny Andravoahangy sy Andraharo, ary ny sasany tamin’ireo « casino » teny Antaninarenina sy Behoririka. Nakatona avy hatrany ireto toerana ireto, hoy hatrany ny filazam-baovao avy eo anivon’ny polisy ary nosaziana avokoa ireo olona (mpividy sy ny mpivarotra ) tratra tao anatin’izany. Ny tompon’ireny toerana ireny kosa dia nentina natao fanadihadiana sy nampidirina « violon » avy hatrany. « Ny polisy no mbola mampitandrina sy manasazy raha tsy manaraka ny fepetra ianao fa ny aretina kosa dia mamono avy hatrany rehefa azony ianao ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici