- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFivarotana rongony : Olona telo indray no voasambotra

Fivarotana rongony : Olona telo indray no voasambotra

rongonyRaha nanatanteraka « ratissage » toy ny mahazatra azy ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava- mahadomelina dia olona telo no voasambotra tamin’ izany ny talata 19 aogositra 2014 tamin’ ny 12 ora antoandro.

Teny Tsarahonenana, olona roa no indray tratra ka ny iray mpivarotra ary ny iray mpifoka. Lehilahy iray antsoina hoe R. Fidy, 32 taona, monina eny an-toerana ihany, no mpivarotra, ary tratra niaraka taminy ny rongony 3 Kg. Tamin’ ny fanadihadiana natao azy dia niaiky izy fa azy ireo rongony ireo ka nentin’ ny havany avy any Atsimo, ary novidiany 300Ar ny fonosana iray. Raha ny  filazany ihany dia 500Ar no hamarotany ny iray fonosana. Efa enim- bolana no nivarotan’ i Fidy rongony. Tetsy andaniny, voasambotra niaraka tamin’ilay mpivarotra ny lehilahy iray hafa, izay tratra teo am-pifohana rongony. Ao amin’i Fidy izy no mividy ary nahitana efatra fonosana tany aminy.

Fa tany amin’iny ilany atsinanan’ny renivohitra iny ihany, teny Ambatomaro, vehivavy iray kosa no tratra nivarotra rongony teny amin’ ny trano fonenany. Rongony 41 fonosana no tratra niaraka tamin’i Marie, 44 taona, manambady niteraka 8.Tamin’ ny famotorana no nilazany fa naterina lehilahy iray avy any Toamasina tao aminy ireo rongony ireo ka hamidy 500Ar sy 1.000Ar ny 1 fonosana. Nifanaraka izy sy ilay rangahy fa izay tombony azo no zarain’ izy ireo. Araka ny filazany dia vao sambany izy no nivarotra rongony dia izao tratra izao.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona telo ireo.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser