Saika isan’andro dia mahatratra mpivarotra sy mpifoka rongony ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zavamahadomelina. Ny alarobia 15 oktobra, olona telo no tratra teny Talatamaty sy Manjaka Ilafy. Ilay voalohany antsoina hoe Mara, 29 taona, dia nahitana fonosana rongony 21 tao an-tranony. Nilaza izy fa, olona mandalo no mpamatsy azy. Voalazan’ny vaovao fa, efa in-droa nigadra izy noho ny resaka rongony ihany. Nahazo voavao hafa ihany koa ny mpitandro filaminana fa, misy olona roa mivarotra rongony eny Manjaka Ilafy. Nidina teny an-toerana ry zareo, tratra tao an-tranony izy ireo, Rijanirina 24 taona sy Sitraka R 22 taona. Rongony fonosana 5 no hita tany amin’izy ireo, fa ny sasany efa lafo avokoa. Olona monina eny Ankorondrano no mamatsy azy. Sady mivarotra ry zalahy no mifoka ihany koa.
nangonin’i r.s.