- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 16, 2025
AccueilFaits-DiversFivarotana rongony : Vehivavy iray sy lehilahy iray saron’ny pôlisy

Fivarotana rongony : Vehivavy iray sy lehilahy iray saron’ny pôlisy

Mirotsaka an-tsehatra hatramin’ny vehivavy. Olona roa, vehivavy iray sy lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy miady amin’ny zava-mahadomelina teny amin’iny faritra Antohomadinika sy Andavamamba iny talata lasa teo, noho ny resaka fivarotana sy fanaparitahana rongony. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisim-pirenena dia sarona teny amin’ity tanana farany ity ilay vehivavy, izay mbola nivimbina ireo « entana », kitapo kely efatra feno rongony, izay milanja eo amin’ny roa kilao eo ho eo. Raha ny fanazavàna azo hatrany dia efa ela no nahafantaran’ireo mpitandro filaminana ny fisian’ireo mpivarotra rongony eny amin’iny faritra iny. Napetraka avy hatrany velam-pandrika ka io nahasamborana an’io vehivavy io.  « Niaiky ihany koa ity vehivay ity fa mivarotra rongony amin’ny vidiny 500 ariary isaky ny fonosana eny amin’ny faritra Andavamamba » hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Fa ankoatra ity ramatoa ity dia lehilahy iray efa gadralava noho ny resaka fanaparitahana sy fivarotana rongony ihany koa. Voasambotra teny amin’iny faritra IVO Antohomadinika iny indray ny lehilahy, rehefa nidinan’ireo pôlisy teny an-toerana. Tamin’ny fisavàna ny tranony, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo dia rongony manodidina ny 28 fonosana teo no sarona tao aminy.  « Nilaza izy fa lehilahy mandalo isaky ny alatsinainy eny an-toerana no fividianany rongony, ary izy indray no mivarotra izany antsinjarany avy eo ». Omaly moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici