- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFivarotana tanin’olona anaty Facebook : Mpiasan’ny fananan-tany iray sy sefo fokontany iray...

Fivarotana tanin’olona anaty Facebook : Mpiasan’ny fananan-tany iray sy sefo fokontany iray nosamborina

Amidy any anaty tambajotra sosialy ny taniny kanefa tsy izy tompony no mivarotra azy ! Gaga no sady taitra ity olona ity ka nampiditra fitoriana avy hatrany teny anivon’ny polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireto farany rehefa hita fa fisolokiana no ataon’ireo mpivaotra anaty Fb. Olona dimy no voasambotra tao anatin’izao raharaha izao, araka ny tatitra azo avy amin’ny polisy. Nahitana ilay olona nisoloky ho tompon’ny tany, mpanera, mpiasan’ny fananantany iray ary sefo fokontany teo aloha. Ny zava-nisy : vehivavy iray nilaza ho nanana tany 11.000ha no naka mpanera fa hoe hivarotra izany. Nalefan’ity mpanera ity 80.000ar ny metatra toradroa raha nifanarahana tamin’ilay “tompon’ny tany” fa 60.000ariary. Nalefan’ity mpanera ity tanaty tambajotra sosialy facebook ilay tany namidy ka tany no nahitan’ilay tena tompony azy. “Rehefa voamarina fa an’ity olona ity tokoa ilay tany dia nanokatra fanadihadiana ny polisy ka nanao ny vela-pandrika hahazoana ireo olona mpisoloky”. Teny amin’iny faritra Alasora iny no voasambotra ireto mpisoloky ireto taorian’ny fanadihadiana lalina sy vela-pandrika nataon’ny polisy. Ilay vehivavy nilaza fa tompon’ny tany no tra-tehaka voalohany niaraka tamin’ireo mpanera roa nampiasainy. Ilay mpiasa teo anivon’ny fananantany kosa no nanampy ilay vehivavy tamin’ny fanomezana taratasy hosoka, izay nanamarina fa an’ilay vehivavy tokoa ilay tany. Nitohy ihany ny famotorana ka hita fa nisy sonian’ny sefo fokontany iray ihany koa tao anatin’izany taratasy hosoka izany. Nosamborina rahateo ihany koa moa ity farany ary fantatra teo fa efa tsy am-perinasa intsony ny lehilahy. Mbola nitohy hatrany ny fanadihadiana ka nisy olona telo hafa, voarohirohy tao anatin’ity fisolokiana tanin’olona ity. Taorian’ny fakana am-bavany ireto olona voarohirohy ireto dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha, tamin’ity herinandro ity. Fantatra araka izany fa ny efatra tamin’ireto olona voasambotra ireto no nadoboka am-ponja avy hatrany raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona efatra ambiny, araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana. Mila mailo dia mailo tokoa amin’izao amin’ity resaka tany ity eto amintsika, satria dia tsy kely lalana ny ratsy ary voaporofo amin’ity tranga ity fa mazana dia miray tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny natao ho andry iankinana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici