Efa misimisy ihany ireo lasibatra raha ny angom-baovao azonay. Ny mampalahelo anefa dia saika very an-javony sy tsy mahazo rariny rehefa tonga eny amin’ny Fitsaràna. Miala maina, very vola, very fananana …
Tsy kely lalana tokoa ny ratsy, ary any amin’ireo sehatra be mpitady sy be mpanao izy ireo no tena mamely, toy ny bizina fiara « occasion ». Raha ny angom-baovao azo dia paik’ady toa izao indray no ataon’ireo mpisoloky : mivarotra fiara amin’ny anarany ny olona iray, misy taratasy mazava tsara, ary fiara mandeha tsara. Tsy misy olana hatreo aloha. Mazàna amin’ny toe-javatra tahaka ireny, indrindra fa ireo fiara hamidin’ireo olona lazaina fa « mpanodina » dia taratasy fifampivarotana, efa misy ny mombamomba ny tompon’ny fiara (tsy ilay mivarotra) no omen’izy ireo, vita « legalisation » ara-dalàna ary mameno ny ambiny sisa ireo mpividy. Vita hatrany amin’ny « mutation », tsy misy olana ! Aorian’izay, vao indro misy olona mipoitra tampoka avy any, milaza ho tompon’ny fiara (ilay misoratra ao anaty taratasy fifampivarotana). Milaza ity farany fa « nangalarin’ilay mpividy ny fiara ». Mazava ho azy fa tonga hatrany amin’ny raharaham-pitsaràna ny raharaha, satria rehefa tadiavina ilay olona nividiana ilay fiara (mpanodina) dia tsy hita intsony. Ary rehefa mandeha ny fitsaràna dia voalaza fa mahazo rariny foana ilay tena tompon’ny fiara. Ilay mpividy izany eto no tena maty antoka, voasoloky !
Raha ny angom-baovao azo dia toa hoe tsy iray tsy roa no voan’ity tranga ity fa efa maromaro, ka iantsoana ireo tompon’andraikitra mahefa. Ahian’ireo lasibatra mantsy fa mety ho efa tambajotra matanjaka izy io.
Nangonin’i m.L
DIA AZA MIVIDY RAHA TSY ILAY TOMPONY MISORATRA AO ANATY TARATASY FIFAMPIVAROTANA MIHITSY NO MIVAROTRA AN’ILAY IZY MIVANTANA AMINAO
TSOTRA KELY ANIE IZANY
mpanera mpisoloky zany.
f anga tsy mila sonian’ ilay tena tompony misoratra @ fiara ny mutation sy ny paperasse rehetra???