Fivoahana laza adina mialoha ny fotoana : Niaiky ny oniversite Toamasina, fa tena nisy ilay izy
Nisy ny tafa mivantana tamin’ny mpanao gazety, nataon’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina sy ireo ekipa mpiara-miasa aminy, ny alarobia efa tamin’ny 08ora alina, nanazavany ny tena zava-nisy sy ny zava-niseho nahatonga ireny sakoroka ireny. Ny talata tao anatin’ny laza adina matematika, dia nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’ireo mpiadina ny mpiambina. Raha natao ny fisavana nandritra izany dia mpiadina telo lahy no efa nanana ny valin’ilay laza adina matematika nivoaka tamin’io fotoana io ka tratra am-bodiomby teto Toamasina I. Izy telo lahy ireo aloha no tratra, saingy mbola mety nisy koa tany ho any, saingy tsy tratra tamin’ny fanaraha-maso natao. Raha nanaovan’ny Oniversite fanadihadiana ireto telo lahy tratra nandritra ny fotoana ny laza adina matematika ireto, dia izy ireo no nanoro fa tamin’ny tamba-jotra “facebook” no nahitan’izy ireo ny laza adina. Raha nanao fanamarihana izany ny oniversite, teo ihany koa vao gaga fa efa nivoaka mialoha ihany koa ny laza adina fizikan’ny sokajy « A » ny ampitso. Ny talata alina nifoha alarobia maraina izany raha eo am-panomanana ny fampiasana ny laza adina faharoa fiandry ny oniversite, dia ireny sakoroka niseho tao amin’ny lycée Stella Maris sy lycée Rabemananjara no nitranga teto Toamasina. Nitovy avokoa anefa ny fepetra noraisina nanomboka tany Marolambo hatrany Maroantsetra sy Ambatondrazaka, saingy nilamina avokoa ireo ivon-toeram-panadinana tamin’ny faritra maro, fa ny teto Toamasina I ihany no nisy sakoroka iny ka naharatrana olona 03, saingy ny 02 mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly hatramin’ny omaly ka tsy afaka nanohy ny fanadinany intsony. Natao ihany ny taranja fizika ho an’ny sokajy « A » saingy ny taranja tantara sy jeografia no mamarana ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity ho an’ny fari-piadidiana Toamasina. Ireo tovolahy telo tratra nandritra ny taranja matematika sy nahalalana, fa nisy fivoahana mialoha marina ny laza adina tamin’ny alalan’ny “facebook”, dia nisy ny tsy fahazoana manohy ny fanadinana intsony ho azy ireo, tahaka ireo tratra am-bodiomby ihany koa tao Maroantsetra sy tao Ambatondrazaka nandritra io laza adina taranja matematika hatrany. Niverina tamin’ny laoniny ny fanadinana bakalorea ny alakamisy, saingy ny zoma vao mifarana ny fanadinana, satria amin’io no haverina ny taranja tantara sy jeografia tsy vita ny alarobia tolakandro teo.
Malala Didier