- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFIZAFAMA : Tokony hatsangana ny distrikan’i Manambondro

FIZAFAMA : Tokony hatsangana ny distrikan’i Manambondro

Ny alatsinainy 1 aprily teo no nanatanteraka ny fifampiarahabana noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritra Manambondro (FIZAFAMA). Tetsy amin’ny Cercle Mess Betongolo no nanaovana izany lanonana izany, izay nahitana ireo zanaka ampielezan’ny kaominina valo, dia i Manambondro, Amparihy Est, Fenoambany, Isahara, Marokibo, Mahabe, Sandravinagny ary Vohimalaza. Ankoatra ny fiaraha-mifaly dia fotoana iray koa io nahafahan’ireto zanaka ampielezan’ny valo kaominina ireto nanamafy indray ny hetahetan’ny mponina ao amin’ireo kaominina ireo dia ny mba hananganana ny distrikan’i Manambondro izay hitambaran’izy ireo. Efa ela tokoa mantsy izy ireo no nanao izany fangatahana izany saingy mbola tsy nivaly hatreto, na dia efa nahazoana « récépissé » ary izany ny taona 2013, raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Andriamatoa Rajaonarison Désiré Brechard. « Be loatra ny kaominina ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano ka misy adino ny sasany », hoy izy raha nanazava ny anton’izao fangatahana izao. « 31 no isan’ny kaominina ao ka lasa zanak’Ikalahafa ny sasany, indrindra ireo kaominina saro-dalana, tsy tongan’ny fiara, ary lavitra loatra ny “centre de décision” tahakan’i Amparihy Est, Sahara, sns… », hoy hatrany ity filohan’ny fikambanana ity. Nohamafisiny fa ampy ny fepetra rehetra hahazoana izany distrika izany ka izay no hamerenana hatrany izao fangatahana izao. Notsindrian’Andriamatoa Rajaonarison ihany koa fa tsy manao politika akory ny fikambanana raha manao izany fangatahana izany, fa fitadiavana izay mahasoa ireo mponina mipetraka amin’iretsy kaominina voalaza iretsy. Ankoatra izay dia nanao antso avo ihany koa ireo mpikambana mba hijerevana ireo lalana any izay tena ratsy dia ratsy ka miteraka fahasahiranana maro samihafa eo amin’ireo mponina.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici