- Publicité -
dimanche, novembre 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFJKM Ambohimamory Malala Orimbato : Voka-dehibe famaranana ny taona 2016

FJKM Ambohimamory Malala Orimbato : Voka-dehibe famaranana ny taona 2016

Ny FJKM Ambohimamory Malala Orimbato SPAA 10 dia mikarakara ny Voka-dehibe famaranana ny taona 2016 sy fangataham-pitahiana ho an’ny taona 2017. Manasa ny mpino rehetra hiaraka hisaotra sy hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny nahadinganana ity taona ity. Maniry ny fahatongavan’ny rehetra ho mariky ny fanoloran-tena sy hametraka sahady eo ambany fahasoavana sy ny Famindram-pony ho an’ny taona ho avy.

Toy izao ny fandaharam-potoana :ny sabotsy 5 novambra tontolo andro, mitohy ny alahady no fandraisana ny vokatra. Ny alahady, hanomboka amin’ny 8ora maraina ny fotoam-pivavahana ary ho faranana amin’ny Fandraisiana fanasan’ny Tompo. Hiara-hientana ny tsirairay ho an’ny fananganana trano vaovao fanampin’izay efa misy ao amin’ny Kolejy Teolojika Fianarantsoa. Ny mpitandrina Randriamanantenasoa Martin no hitarika ny fotoana.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici