- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversFjkm Ambohitantely : Hankalaza ny fetin’ny taranaka

Fjkm Ambohitantely : Hankalaza ny fetin’ny taranaka

« Fa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika ianao ». Izany Teny avy ao amin’ny Salamo izany no entin’ny fiangonana Fjkm Ambohitantely, hanamarihana ny fetin’ny Taranaka amin’ity taona ity.  Toy ny fanao isan-taona, dia mankalaza izany izy ireo. Efa natomboka ny voalohan’ny herinandro teo ilay antsoina hoe  « Herinandron’ny taranaka » eny an-toerana, izay natao isan-kariva ary hifarana anio. Rahampitso kosa no hisy ny « Tsenaben’ny taranaka », izay hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany ao amin’ny Akany. Hofaranana amin’ny fotoam-pivavahana lehibe izany, ny alahady ho avy izao. Hisy ny fiarahana mandray ny Fanasàn’ny Tompo aorian’ny fotoam-pivavahana. Arak’izany, ny mpitandrina sy ny vadiny ary ny fianakaviam-ben’ny fiangonana dia miantso ireo taranaka rehetra hifanotrona sy hifampitrotro am-bavaka mandritra izany fankalazana izany. Samia mifampilaza ary manantena ny fahatongavan’ny rehetra ireo mpikarakara, ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici