- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversFJKM Ambohitrarahaba : 20 taona ny SAMPATI Tsinjo

FJKM Ambohitrarahaba : 20 taona ny SAMPATI Tsinjo

Mankalaza ny faha-20 taona niorenany ny SAMPATI Tsinjo ao amin’ny FJKM Ambohitrarahaba amin’ity taona 2014 ity. Ny alahady 6 aprily teo ny ivon’ny fankalazana ary nitrotroana am-bavaka ny hoavin’ity sampana ity. Mbola maro ny hetsika hotanterahina ka anisan’izany ny foran-daolao, tafika masina, fisindana miaraka amin’ny beazina ary lasin-jaobily izay hotanterahina any Mahajanga.

Ny teny faneva nofidina mandritra ny jaolbily dia araka izay hita ao amin’ny GEN.9: 16b “ Ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fenekena mandrakizay izay ho an’Andriamanitra”. Hisy ny tsangambato hamarihana izao taon-jaobily izao toy ny fanolorana “écran plat 55” iray ho an’ny Akany FJKM Ambohitrarahaba sy anjara biriky ho famitana ity farany. Tsy hadino ny Fivondronana amin’ny fanolorana azy ireo “tente”-na trano lay miisa enina.

Manainga antsika rehetra ao amin’ny Sampana sy ireo izay nandalo tao hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra ary hitrotro am-bavaka ity jaobily ity.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser