“Dia asandratro ho rehareha mandrakizay hianao, ary ho fifaliana hatramin’ny taranaka faramandimby” Isaia 60 : 15b
Feno 155 taona amin’ity 2016 ity ny FJKM Amparibe Famonjena. Ho fanokafana ny taom-pankalazana, ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra dia hisy ny fanompoam-pivavahana ny alahady 24 janoary 2016 manomboka amin’ny 9 ora maraina eny an-toerana.
Asaina amin’izany isika mpianakavin’ny finoana rehetra sy ny zanaka am-pielezana. Filamatry ny komity faha-155 taona moa ny fiombonana sy ny fanetren-tena, koa amin’io fotoana io koa no hanokafan’ireo sampana dimy mankalaza an’Andriamanitra noho ny jobily faha 25 taonan’izy ireo dia ny Sampana Fifohazana, ny Vokovoko Manga, ny Sampana Lehilahy Krisitiana, ny Sampana Taninketsa, ary ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno. Alahadin’ny Firaisan’ny Sampana rahateo io alahady 24 janoary io, koa manentana anao, zanak’Amparibe Famonjena, namana, sakaiza sy ireo manana rohim-pihavanana amin’Amparibe Famonjena ho tonga hifanotrona amin’izany.
Maro ireo asa vavolombelona amin’izao fankalazana ny faha-155 taona izao, ho tsangambato hita maso sy tsangambato ara-panahy dia ny :
- Fambolen-kazo ny sabotsy 30 janoary 2016 eny amin’ny tanin’ny fiangonana, eny Ikingory, Ambatomirahavavy
- Fanorenana any amin’nyToby Fifohazana FJKM any Antambohomena (Ampanotokana, Mahitsy)
- Tafika Masina anatiny eo anivon’ny fiangonana sy ny manodidina
- Fanohanana ireo toeram-panomanana mpitandrina
sy ireo hetsika maro hafa izay hanamarihana ny fankalazana.
Am-pifaliana ary no anasan’ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina mivady, ny biraom-piangonana, ny birao sy ny komitin’ny faha-155 taona anao, hiara-kiombom-bavaka amin’ny alahady izao noho izany tsingerin-taona izany.