Andro lehibe ho an’ny kristiana rehetra sy ny zanaka am-pielezan’ny FJKM Ampasika Martiora ny alahady 26 aprily 2015 ho avy izao. Amin’izany mantsy no hanatanterahana ny Fetin’ny taranaka. Ny ezaka vitatsika amin’io dia hanitarana ny trano fiangonana araka ny efa notapahintsika. Hatao amin’io fotoana io koa ny fiarahabana an’ireo zanatsika afa-panadinam-panjakana. Hifarana amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ny fanompoam-pivavahana, izay hanasana sy hiantsoana antsika rehetra.
Hiainga eo amin’ny CEG Antanimena amin’ny 7 ora sy sasany ny fiara iombonana. Hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany ny fanompoam-pivavahana.
N.R