Hosokafana ny alahadin’ny pentekosta 8 jona amin’ny 9 ora maraina ny fankalazana ny jobily faha-10 taona ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fiangonana Antsahamaiana Famonjena sy ny Pasitera Robson Rado Lalaina Joahary mianakavy. Ny mpitandrina Randimbison Jonah, tonian’ny departemanta FJKM, no hitarika ny fotoana. Hisy sakafo hamidy amin’ny vidiny mirary eny an-toerana.
Ny zanaka am-pielezana koa dia hikarakara ny 13 jolay, “Garden party” eny Ambohiboahangy, Ambohimalaza. Maro ny fanentanana, toy ny “plaquette” izay hahazoana loka goavana. Ny vola voaangona dia hoenti-manana amin’ny tsangambato sy hanampiana an’i pasitera mianakavy amin’ny famaranana ny trano izay haoriny.
Ny ivon’ny fankalazana dia amin’ny novambra ho avy izao, ka hisy ny sakafo lehibe hiarahana amin’ny fiangonana sy ny zanaka am-pielezana.