Toy ny fanao isan-taona dia ho tanterahina amin’ny alahady faha-30 oktobra izao ny fetin’ny Taranaka ho an’ny FJKM Antsampandrano Mananara. Amin’io fotoana io ihany koa no hamaranana ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny zanaka Am-pielezana. Koa hasaina isika rehetra ho tonga any antanindrazana. Toy ny mahazatra dia hisy ny fiara hiombonana raisina eny amin’ny toerana mahazatra Andravoahangy. Tsara raha tonga araka ny fotaona nifanomezana ireo rehetra handeha. Izany dia mba ahatanterahana antsakany sy andavany ireo fandaharam-potoana efa voahomana. Ny sabotsy, efa misy ny hetsika ahitana ny fihaonana ara-panatanjahan-tena tontonsaina hanasana ny be antitra, ny zokiny ary ny tanora.
Articles qui pourraient vous intéresser