Ny mpitandrina sy ny Fiangonana ary ny raiamandreny ao amin’ny FJKM Betoho Fehizoro dia manasa antsika Taranaka rehetra, na ny lavitra na ny akaiky, ho tonga any an-tanindrazana noho ny Andron’ny taranaka 2015, izay hotontosaina ny sabotsy 01 aogositra sy ny alahady 02 aogositra izao. Hifampahery sy hanome voninahitra an’Andriamanitra isika koa tongava maro. Hisy ny dinika ho fampandrosoana ny fanomanana ny faha-140 taonan’ny fiangonana aorian’ny fotoana. Hisy sakafo amin’ny vidiny mirary. Ny tolakandro’ny alahady amin’ny 2 ora ny Taranaka Mifaly miaraka amin’ny SLK FJKM Ankadindramamy Fahazavana. Ny fiara iomabonana dia miainga eo Mahazo, (vavahadin’ny advantista) amin’ny 7 ora sy sasany maraina.
Articles qui pourraient vous intéresser