Notokanana tamin’ny sabotsy 24 may teo ny trano sekoly vaovao ho an’ny FJKM Fihaonana Mandroso. Tonga nanatrika ity lanonana ity ny avy amin’ny ambaratonga maro eo amin’ny sahan’ny FJKM. Ity sekoly ity dia natolotry taranak’Itompokolahy Rakotondrainibe Jean Baptiste sy Itompokovavy Rasoazanatefy Joséphine. Dimy volana ny faharetan’ny fanorenana. Sekoly misy efitra roa. Naneho ny firaisan-kinany ny ray aman-drenin’ny mpianatra tamin’ny fanomezan-tànana tamin’ny fananganana. Tamin’ity fanokanana ity dia niroso tamin’ny fanompoam-pivavahana notarihan’ny mpiandraikitra Foibe FJKM. Nitondra ny tenin’Andriamanitra tamin’izany Rtoa Ratsimba Prisca Hanta tale nasionalin’ny Sekoly FJKM. Tamin’izany no nanehoany ny famirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny maha taninketsan’ny sekoly izay mamolavola sy mitaiza ara-panahy ny ankizy, dieny mbola zaza ka anisan’ny fanantenana ny amin’ny ho avy. Nisy ireo nentanim-pitiavana tamin’ireo nanatrika ka nanolotra taratasim-bola hividianana dabilio. Nisy koa ny nanolotra boky ho fampitaovana ny sekoly.
Articles qui pourraient vous intéresser