Artista fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny kanto ry : Bodo, Rija, Luc sy Mahery, Lily ary Felaniary. Saingy tsy hihira afa-tsy hira fiderana izy ireo amin’ity indray mitoraka ity. Izany dia mba ho fifanomezan-tànana eo amin’ny samy kristiana ho an’ny fanitarana ny fiangonana Fjkm Malaza Gileada; izay efa natomboka tamin’ny taona 2008. Amin’ny volana oktobra no hanokanana an’izany raha araka ny tombatombana. Ilay fampisehoana dia hotanterahina ao Antsahamanitra, ny alahady 2 aogositra, manomboka amin’ny telo ora folakandro.
D.R